FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/10 p. 26
  • Ny hevitry ny vavaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny hevitry ny vavaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/10 p. 26

Ny hevitry ny vavaka

“Amin’ny fiteny hebreo, ny teny lehibe indrindra ampiasaina ho an’ny vavaka dia avy amin’ny fototeny hoe ‘mitsara’, ary ny endrika ara-pitsipi-pitenenana mahazatra milaza fifamalian’asa (réfléxif) (...) dia midika ara-bakiteny hoe ‘mitsara tena’.” Izany no fanamarihana nataon’ny Ny bokin’ny vavaka atao isan’andro nahazo lalana. Ny tiany holazaina amin’izany dia hoe ny iray amin’ireo anjara asan’ny vavaka dia ny hanampy ilay olona hahita raha mahafeno ireo fitsipi-pitondrantena sy zavatra takin’Andriamanitra araka ny rariny izy.

Noho izany antony izany, ao anatin’ny Baiboly manontolo, dia ilazana isika fa, raha tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy hohenoina amim-pankasitrahana ny vavaka ataony. “Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; fa ny fivavaky ny marina no henoiny.” — Ohabolana 15:29; 1 Jaona 5:14.

Tena tokony hahatonga ilay mivavaka hanetry tena sy hanenina tokoa ny fandinihan-tena ataony eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Izany dia vao mainka manome hery ny fanoharan’i Jesosy momba ilay Fariseo mpirehareha sy ilay mpamory hetra nanenina izay samy tonga teo amin’ny tempoly mba hivavaka. — Lioka 18:9-14.

Noho izany, na hanao fisaorana, na fiderana, na fangatahana isika rehefa mivavaka amin’i Jehovah, ny vavaka dia fotoana fanaovana fandinihan-tena foana. Amin’izany fomba izany, ny vavaka dia mampanatona antsika akaiky kokoa an’i Jehovah ary manamafy ny fifandraisantsika aminy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara