FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/9 p. 32
  • Amin’ny ahoana ny ra no afaka mamony ny ainao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Amin’ny ahoana ny ra no afaka mamony ny ainao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/9 p. 32

Amin’ny ahoana ny ra no afaka mamony ny ainao?

Nohajaina fatratra ho toy ny fomba fiarovana sy famonjena aina ny fanaovana fampidiran-dra. Nefa manazava toy izao ny Dr. Alan A. Waldman: “[Ilay] toa fahitana tsy nisy fanahiana ny amin’ny maha-azo antoka ny zavatra avy amin’ny ra dia niova tamin’ny fomba manaitra nony natao ny fanaraha-maso ny SIDA mifandray amin’ny fampidiran-dra.”

Kanefa tsy ny SIDA ihany no loza mitranga. “Fitrangan-javatra hafa maromaro no voafaoka tamin’ny fahatsapana fa misy zavatra mampidi-doza tsy fantatra anarana sy tsy voara-maso eo amin’ny fampiasana ra nomena”, hoy ny fanamarihan’ny Dr. Waldman. “Ankehitriny, na dia ireo raharaha efa noheverina ho voalamina indray mandeha aza — ohatra, ny fahombiazan’ny fandinihana ireo mpitondra viriosina aretin’aty B — dia mbola mampiahiahy ihany.” — Diagnostics & Clinical Testing, Jolay 1989.

Eny tokoa, zavatra iray mampidi-doza ny ra. Nefa zava-dehibe koa ny ra amin’ny famonjena aina. Amin’ny ahoana ny ra no afaka mamonjy ny ainao? Handray soa ianao avy amin’ny fandinihana io fanontaniana io ao amin’ilay bokikely 32 pejy hoe Comment le sang peut-il vous sauver la vie?

Raha maniry hahazo iray ianao, dia fenoy, aza fady, ary alefaso paositra ilay tapakila eto ambany. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)

Iriko ny hahazo iray amin’ilay bokikely 32 pejy hoe Comment le sang peut-il vous sauver la vie? Ampiarahiko nv fandraisana anjara an-tsitrapo 240 FMG.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara