“Ny fitadiavan’ny olombelona an’Andriamanitra”
“Ity boky ity dia mahaliana aoka izany sady manintona ka tsy afaka ny hametraka azy io fotsiny amin’izao aho”, hoy ny nosoratan’ny mpamaky iray avy any Houston, any Texas, Etazonia. Nilaza izy fa ao amin’ny faritra misy azy, dia misy olona avy amin’ny fivavahana rehetra resahina ao amin’io boky io indrindra, nefa niaiky toy izao izy: “Tsy takatro izay foto-pinoan-dry zareo sy ny fomba hitarihana azy ho amin’ny Baiboly mba hahazoany valiny. Valin’ireo vavaka nataoko io boky io.”
Ny boky L’humanité à la recherche de Dieu, dia mirakitra resadresaka nanaovana fikarohana sady lalina tanteraka momba ireo fivavahana toy ny hindoisma, ny bodisma, ny taoisma, ny konfiosianisma, ny shinto, ny silamo, ary ny jodaisma. Nanao fanamarihana toy izao ilay mpamaky avy any Texas: “Io boky io dia miresaka ny amin’ny finoan’ny olon-kafa amin’ny fomba mety sy feno fanajana, sady mbola mampirisika azy ireny hanohy ny fitadiavany ilay Andriamanitra marina, dia Jehovah. Ary ireo fanazavana dia hita ao amin’ny fomba tena sahaza ny tsirairay, toy ny hoe nisy olona nipetraka teo akaikinao nitarika resadresaka.”
Azonay antoka fa ilay boky 384 pejy hoe L’humanité à la recherche de Dieu, dia hamaly ny maro be amin’ireo fanontanianao. Raha liana ta hahazo iray ianao, dia fenoy fotsiny ka alefaso paositra ilay tapakila misy adiresy omena eto ambany.
Iriko ny hahazo ilay boky misy sary 384 pejy hoe L’humanité à la recherche de Dieu. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 mba hahazoana fanazavana.)
[Sary, pejy 32]
fivavahana lazaina fa kristiana
silamo
hindoisma
konfiosianisma — taoisma — bodisma
bodisma
shinto
jodaisma
Ireo fivavahana ara-poko