Ny politika anisan’ny andraikitra ara-pilazantsara ve?
ARAKA ny voalazan’i Joachim Meisner, arsevekan’i Cologne sady mpitondra fivavahana Alemanina tatsinanana nalaza fahiny, dia “fanovana ny zavatra inoan’ny fiangonana ny fiantsoana ny politika ho maloto, ho raharaha andotoan’ny olona iray ny tanany”. Tao amin’ny fanadinadinana natao tamin’ny 1989, dia nilaza toy izao izy: “Anisan’ny maha-izy ny fiainana ny politika, noho izany dia tapany amin’ny andraikitsika ara-pilazantsara. Tsy maintsy mientana ho amin’ny fihaikana isika. Amin’ny fomba manorina, dia tsy maintsy miditra ao amin’ny fikambanana ara-politika rehetra isika, manomboka amin’ireo firaisana sy fikambanan’ny mpiasa madinika ka hatramin’ireo antoko ara-politika, amin’ny famoronana ao amin’izany fihetsiketsehana sy antoko izany, fanorenan’ny fiombonana kristiana ka rehefa any ivelan’izy io ny tsirairay dia afaka miezaka handray fitarihana mba hampandrosoana ny politikan’i Alemaina sy Eoropa.”
Ireto teny nalaina avy tamin’ny “Frankfurter Allgemeine Zeitung, gazety malaza any Alemaina ireto, dia mampiseho fa mpitondra fivavahana alemanina maro be — katolika sy protestanta — no miombon-kevitra amin’i Meisner.
“Enina andro monja taorian’ny nifidianana azy [Oktobra 1978], dia nanambara izy [ny papa] fa amin’ny maha-Eoropeana tatsinanana azy, dia tsy nikasa ny hanaiky ny toe-draharaha nisy tany Eoropa izy. (...) Ny sasany nandray izany ho toriteny, nefa fandaharana ara-politika ilay izy.” — Novambra 1989.
“Any amin’ny toerana sasany [any Tsekôslôvakia] dia nahazo haja ambony amin’ny maha-mpisava lalana eo amin’ny fikomiana ny fiangonana. Ireo mpianatra ao amin’ny seminera ho an’ny pretra any Litomĕr̆ice, tanàna iray misy ny katedraly any amin’ny faritra avaratr’i Bohĕme, (...) dia nitarika ilay tolom-piavotana tsy nisy herisetra tamin’ny Novambra farany teo.” — Martsa 1990.
“Ilay vavaka isan-kerinandro ho an’ny fandriampahalemana tao amin’ny fiangonana Nikolai [protestanta], izay somary nanintona ny saina nandritra ny folo taona, tampoka teo tamin’ity taona ity, dia nanjary famantarana ny fikomiana, ny tolom-piavotana tsy nisy ady tao amin’ny RDA [Repoblika Demokratika Alemanina]. (...) Mpitondra fivavahana sy antokona lahika tsy tambo isaina no nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fampisehoana natao taorian’izay.” — Desambra 1989.
Tamin’ny fanadinadinana azy, dia nanamarika toy izao koa ny arseveka Meisner: “Tsy afaka hiandry mpanao politika kristiana hilatsaka avy any an-danitra isika. (...) Tsy sasatra na oviana na oviana aho ny mampirisika tanora kristiana (...) hiditra amin’ny fiainana ara-politika [na politikan’ny fiainana] (...) amin’ny fitenenana amin’ny olom-pirenena zokiny hoe: Tsy azonao atao ny tsy hiraharaha ny fifidianana ka tsy handray anjara amin’izany.”
Noho izany, dia mpikambana 19 ao amin’ny Volkskammer (parlemanta) alemanina tatsinanana nifidy tao amin’ny birao tamin’ny martsa 1990 no mpitondra fivavahana. Manana solontena ao amin’ny ministeran’ny mpanolo-tsaim-panjakana mihitsy koa ny fivavahana. Nanoratra toy izao momba ny iray amin’ireo mpitondra fivavahana telo ao amin’izy io, dia i Rainer Eppelmann, Minisitry ny fiarovana, malaza ho tia fandriampahalemana, ny gazety Nassauer Tageblatt: “Maro be no mihevitra azy ho iray amin’ireo rain’ny tolom-piavotana tsy misy ady.”
Ny Vavolombelon’i Jehovah any Eoropa atsinanana, miisa ho ana hetsiny maro, dia mifaly amin’ny fahafahana ara-pivavahana mitombo ananan’izy ireo ankehitriny. Nefa tsy mampiasa izany hidirana amin’ny fifanoheran-kevitra ara-politika na ara-tsôsialy izy. Mifanaraka amin’ny andraikitra ara-pilazantsara ambara ao amin’ny Matio 24:14, dia manaraka ny ohatr’i Jesosy ny amin’ny fihatahana amin’ny politikan’olombelona izy, amin’ny fitoriana amin’ny fotoana rehetra amin-jotom-po ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny taranak’olombelona. Ny klerjin’ny fivavahana lazaina fa kristiana kosa, na any amin’ny faritr’i Eoropa atsinanana na any an-toeran-kafa, dia tsy nanam-pahendrena hanao zavatra toy izany. — Jaona 6:15; 17:16; 18:36; Jakoba 4:4.