Ireo mora iharan’ny voka-dratsin’ny sigara indrindra
MANAMBARA ny tatitra nataon’ny lehiben’ny fitsaboana amerikana tamin’ny 1989 fa arakaraka ny maha-tanora ny olona iray manomboka mifoka sigara no azo ampoizina kokoa ny hahafatesany noho ny homamiadan’ny avokavoka. “Ny mpifoka manomboka aorian’ny faha-25 taonany dia voan’ny homamiadan’ny avokavoka avo dimy heny noho ny tsy mpifoka; ny mpifoka manomboka eo amin’ny faha-20 ka hatramin’ny faha-24 taonany dia avo 9 heny. Ny mpifoka manomboka eo amin’ny faha-15 ka hatramin’ny faha-19 taonany dia avo 14 heny ary ireo manomboka alohan’ny faha-15 taonany dia voan’ny homamiadana avo 19 heny noho ny tsy mpifoka.”
Amin’ny toe-javatra maro, ny fifohana dia ny fanombohan’ny lalana ho amin’ny fampiasana zava-mahadomelina fotsiny. Ny tanora eo anelanelan’ny 12 taona sy 17 taona izay mifoka dia hita fa hampiasa “marijuana” avo 10 heny noho ny hafa ary hampiasa “cocaïne”, “hallucinogènes” na “héroïne” (samy zava-mahadomelina mahery dia mahery) avo 14 heny. Manambara ny fandinihana maro natao fa mpifoka sigara be ny maherin’ny 90 isan-jaton’ireo mpisotro toaka sy mpampiasa “héroïne”.
Nampiseho ny fitsapana hevi-bahoaka natao vao haingana fa ny 64 isan-jaton’ireo tanora tsy ampy roapolo taona dia mankasitraka ny fandrarana ny sigara ho an’ireo latsaka ny 21 taona ary koa fa “ny hany tena fanoherana ny fandaniana izany lalàna izany dia avy amin’ireo olon-dehibe izay mahazo vola avy amin’ny fivarotana sigara amin’ny tanora.” — Psychiatric, Mental Health, and Behavioral Medicine News Update, Martsa-Aprily 1990, pejy voalohany.