Fomba sarotra iray hanatonana an’Andriamanitra
“IZAHO no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako”, hoy i Jesosy Kristy. Nanampy izy hoe: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray dia homeny anareo amin’ny anarako izany.” — Jaona 14:6; 16:23.
Nandritra ny taonjato maro anefa, ny fivavahana lazaina fa kristiana, indrindra fa ny Eglizy katolika romana, dia nampifangaro ilay “làlana” tamin’ny alalan’ireo foto-pampianarany momba ny afobe, ny afo fandiovana, ary ny Trinite. Tsy mba naseho tamin’ny naha-mpanalalana an-tsitrapo ny olombelona mpanota azy i Jesosy, fa tamin’ny endriky ny zaza menavava iray eo an-trotroan-dreniny na toy ny mpitsara iray mahatahotra, vonona avy hatrany ny hanameloka sy hanasazy ireo mpanota fa tsy hamonjy azy ireo. Ahoana àry no hetezan’ny fanatonan’ny mpanota iray an’Andriamanitra?
Ilay boky hoe The glories of Mary (1750) dia manazava izany. Tamin’ny fampitahana an’i Jesosy tamin’ny masoandron’ny fahamarinana mamirapiratra, dia nanambara toy izao ny papa Innocent III tamin’ny taonjato faha-13: “Na iza na iza ao anatin’ny alin’ny ota, dia aoka izy hanopy ny masony eny amin’ny volana, aoka izy hitalaho mafy amin’i Maria.” Nolazaina ho mpanalalana hafa iray i Maria renin’i Jesosy. Angamba noho izay heverina ho heriny amin’ny maha-reny, dia nety ho nahazo sitraka tamin’i Jesosy sy Andriamanitra izy. Araka izany, ao amin’ny tenin’i Laurence Justinien, mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato faha-15, dia nanjary “tohatra mankamin’ny paradisa, vavahadin’ny lanitra, mpanelanelana marina indrindra eo amin’Andriamanitra sy ny olona” i Maria.
Noho ny fanasohasoana rehetra natao taminy, araka ny fandehan’ny fotoana, dia tsy heverina ho “Maria virjiny” fotsiny izy, fa tonga “Mpanjakavavy masina, Renin’ny famindrampo”, nantsoina ho tsy nandova ota sy nohindrahindraina izy hany ka noheverina ho masina loatra ka tsy azo hatonina mivantana. Mbola afaka hahita mpanalalana hafa noho izy indray ve anefa? Hitodika any amin’ny renin’i Maria ve?
Koa satria ny Baiboly tsy manisy firesahana ny amin’izany, dia tany an-toeran-kafa no hita ny valiny. Ilay boky tsy ara-tsindrimandry hoe “Protévangile de Jacques” dia miresaka ny tantaran’i Anne (na Anna), vadin’i Joachim, izay momba taona maro taorian’ny nivadian’izy ireo. Rehefa ela ny ela, dia nisy anjely niseho taminy ary nanambara fa hitoe-jaza izy. Tamin’ny fotoana voatendry, dia niteraka an’i “Maria virjiny” izy, araka ny voalaza.
Tamin’izany no nipoiran’ny fivavahana amin’i “Masimbavy” Anne. Nisy fitoerana masina sy eglizy naorina ho fanomezam-boninahitra azy. Nanjary niely tany Eoropa ny fankamasinana an’i “Masimbavy” Anne tamin’ny taonjato faha-14.
“Tena nanjary sarotra mihitsy ny fivavahana!” hoy ny fanamarihan’ilay boky hoe The Story of the Reformation. “Ny olona dia nivavaka tamin’i Anne izay nanalalana ny olona mpanota tamin’i Maria izay nanalalana tamin’ny Zanany izay nanalalana tamin’Andriamanitra. Hevi-dravina izany, nefa efa izay moa no karazana finoanoam-poana namokisana ny fanahin’ny olona.” Io àry dia toe-javatra iray hafa koa iharan’ity tenin’i Jesosy ity: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra amin’ny fampianarana voatolotra anareo.” — Marka 7:13.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
The Metropolitan Museum of Art, Legs de Benjamin Altman, 1913. (14.40.633)