Misy heriny eo amin’ny fiainan’ny olona ny Mifohaza!
Atonta amin’ny fiteny 64 ny Mifohaza!, ary misy 12 980 000 amin’ny antsalany ny isan’ny indray mivoaka isaky ny nomerao. Mankafỳ azy io sady mandray soa avy aminy ireo mpamaky maneran-tany, araka ny ahariharin’ireo taratasim-pankasitrahana alefany. Ny sampan’ny Watch Tower any Ghana, atsy Afrika andrefana, dia naharay izao fanamarihana manaraka izao:
“Iray amin’ireo mpamaky tsy tapaka ny gazetinareo Mifohaza!, izay deraina fatratra sy manome fampianarana ary ara-baiboly, ny tenako. Nisy heriny teo amin’ny fiainako tamin’ny fomba maro aoka izany ireo zavatra noraketin’io gazety io! Tiako aoka izany foana ny mamaky azy, hany ka hadinoko ny fotoana fisakafoana isaky ny mahazo nomerao iray aho, na dia mpikambana ao amin’ny Fiangonana katolika romana aza aho.”
Mahatsapa izahay fa, na inona na inona fikambanana ara-pivavahana misy anao, ianao koa dia handray soa avy amin’ireo lahatsoratra mambabo ny fo sy ny saina ao amin’ny Mifohaza!
Maniry ny hitondrana ny gazety Mifohaza! atỳ an-tranoko aho. (Raha any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2.)