Nahita taratasy mivalona iray teny amin’ny lalamby izy
TAONA 1921 tamin’izay. Tany amin’ireo faritra be tendrombohitr’i Transvaal, provansa iray atsy Afrika Atsimo, ny antokona mpiasa mpikojakoja lalamby dia nandroso moramora nanaraka ny elanelana mitovy amin’ny lalamby. Ilay lehibe mpanara-maso ireo mpiasa, “Afrikaner” (Holanday valovotaka any Afrika Atsimo) iray antsoina hoe Christiaan Venter, dia nahamarika tapaka taratasy iray nihitsoka teo ambanin’ny vy fikorisan’ny fiarandalamby. Taratasy mivalona navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society izy io.
Rehefa avy nibaiko ireo namany mba hijanona i Christiaan, dia namaky ilay taratasy mivalona tamim-pahalianana lehibe. Nihazakazaka tany amin’ny vinantolahiny, Abraham Celliers, izy, ary nilaza taminy tamim-pahataitairana hoe: “Abraham a, nahita ny fahamarinana aho androany!”
Fotoana fohy taorian’izay, dia nanoratra tany amin’ireo mpamoaka io taratsy mivalona io izy ireo mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa. Ho valiny, ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Afrika Atsimo dia nandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly fanampiny. Niara-nianatra izany izy roa lahy nandritra ny fotoana fiatoana mba hisakafoanana sy hatramin’ny alina be. Tsy ela dia nanomboka nizara ny fahamarinana tamin’ireo namany sy ireo olon-kafa izy ireo.
Tamin’ny farany, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena i Christiaan sy i Abraham. Vokatry ny zotom-po sy ny fahatokian’izy ireo, dia Afrikana tatsimo maro no nahazo fanampiana ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana. Ambonin’izany, mihoatra ny zato amin’ireo taranany no Vavolombelon’i Jehovah marisika amin’izao androntsika izao! Ny iray amin’izy ireo dia miasa any amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, (Etazonia) ary ny iray hafa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Watch Tower atsy Afrika atsimo.
Amin’izao androntsika izao, 70 taona eo ho eo atỳ aoriana, ireo taratasy mivalona ara-baiboly dia mbola manohy mandray anjara lehibe ihany amin’ny fanaparitahana ny hafatr’ilay Fanjakana.