FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w91 15/2 p. 3-4
  • Moa ve ny mahantra afaka ny ho marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve ny mahantra afaka ny ho marina?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fito Taona Aho”
    Mifohaza!—1999
  • Voagadran’ny Fahantrana
    Mifohaza!—1998
  • Ny fitomboan’ny fahantrana​—loza mananontanona ny rehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Vahaolana Maharitra Amin’ny Fahantrana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
w91 15/2 p. 3-4

Moa ve ny mahantra afaka ny ho marina?

Mbola vao 29 andro monja i Amelia rehefa nitondra azy ho any amin’ny dokotera ny renibeny. Tsy afaka nandeha ny renin’i Amelia satria narary tany an-trano izy, niaraka tamin’ireo ankizy efatra hafa.

Ny rainy moa tany an-toeran-kafa nitady asa. Nozahan’ilay dokotera ilay zazakely. Nisy famantarana faharatsian-tsakafo izay tsy hoe mahalam-piseho any Afrika Andrefana. Nefa ny zava-nanahirana lehibe indrindra dia ny “cellulitis” (aretin’ny tambatsela ao ambany hoditra). Feno vay nivoaka nana ny tratra kelin’i Amelia.

Rehefa nanolotra taratasim-panafody ho an’ilay renibe ilay dokotera dia nanontanian’io hoe: “Ohatrinona izao ny vidin’ity fanafody ity?” “Eo amin’ny roanjato sy arivo ka hatramin’ny telonjato sy arivo ariary”, hoy ny navaliny.

Nisento i Nenibe. Na dia ny eninjato ariary handoavana ny saran’ny fizahana aza tsy nananany akory. “Aiza indray re no hahitana izany vola izany e!” hoy ny fihiakany.

“Tsy maintsy ataonao izay hahazoana an’io any amin’izay hahitanao azy”, hoy ilay dokotera nanizingizina. “Mitalahoa any amin’ny namanao na ny havanao. Raha tsy tsaboinao io vay io dia hiely any amin’ny lalandra, ka ho faty io zazakely io.”

Nisy fomba nahitan’ny fianakavian’i Amelia ilay vola ihany, ary nahatratra ny faharoa volany ilay zazakely. Kanefa, olona an-tapitrisany maro any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana maneran-tany no tsy afaka misambo-bola any amina namana na havana. Ary kely dia kely ny fahatsinjovana fihatsarana ara-bola.

Manambara toy izao Ny Tatitra momba ny Toe-pahasalaman’ny ankizy maneran-tany, 1989, (anglisy) nataon’ny UNICEF (Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny ankizy): “Taorian’ny am-polony taona maro nisian’ny fandrosoana ara-toekarena nitohy, dia misy faritra midadasika maro maneran-tany miverina tsikelikely ho amin’ny fahantrana indray.” Any Afrika sy Amerika Latina, ny ara-kevin’ny vola miditra dia nitotongana 10 ka hatramin’ny 25 isan-jato nandritra ireo taona 1980. Ary nandritra ireo taona vitsivitsy lasa, tany amin’ny 37 amin’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany, dia nihena 50 isan-jato ny fandaniana ara-pahasalamana.

Milaza inona izany ho an’ireo olona an-tapitrisany maro miaina ao anatin’ny fahantrana? Ho an’ny maro aminy, izany dia milaza fa tsy afaka mividy sakafo na fanafody ilainy izy. Noho izany, ny zanany, ny vadiny, na ny ray aman-dreniny dia mety ho matimaty foana raha tsy mitodika any amin’ny fahazoam-bola amin’ny alalan’ny hany fomba toa misokatra ho azy izy — amin’ny fangalarana! Eny, ny fahantrana dia mety hidika ho fiadiana amin’ny safidy sarotra mahakasika fitondrantena: halatra sa fahafatesana? lainga sa mosary? kolikoly sa fihafiana amin’ny tsy fisiana?

Misy fitenenana toy izao any Afrika Andrefana: “Any amin’izay amatoranao ny omby no hihinanany vilona.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny olona dia hanararaotra amin’ny fomba feno izay rehetra mety ho toe-javatra mamela azy hanao izay hampanankarena azy. Matetika loatra ireo eo amin’ny fahefana any amin’ireo faritra manerana ny tany no mampiasa ny toerana tanany mba handraisana kolikoly, hanodinkodinam-bola, na hangalarana. ‘Ataovy izay hanampian-tena raha mbola afaka ihany’, hoy ny fanjohian-kevitr’izy ireo. ‘Mety tsy hanana fahafahana hanao izany intsony ianao any aoriana.’ Koa satria eo am-piharatsiana hatrany ny toe-draharaha ara-bolan’ny tany eo an-dalam-pandrosoana, ny tsy manana dia mety hanohana kokoa ihany ny fiheverana fa tsy afaka ny ho ny lalana tsara indrindra tokony harahin’ny mahantra ny fanaovana ny marina.

Hoy ny Baiboly hoe: “Aza mangalatra.” (Eksodosy 20:15). Nefa raha toa ny mahantra ka tsy afaka ny ho marina tokoa, moa ve mampisalasala ny maha-ara-dalàna ny fitsipi-pitondrantena ao amin’ny Baiboly? Moa ve ireo lalàn’Andriamanitra tsy azo ampiharina, ary tsy miraharaha izay tena ilain’ny olona? Ny fanandraman-javatra hitan’ny kristiana marina an’arivony maro any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana dia manome valiny mahavariana an’ireo fanontaniana ireo.

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Any amin’izay amatoranao ny omby no hihinanany vilona”

[Sary, pejy 4]

Anisan’ireo izay miasa mafy ny mahantra any amin’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara