Moa ve ny Baiboly Tenin’Andriamanitra tokoa?
Sa ny Baiboly boky hafa iray avy amin’olombelona fotsiny? Voaporofon’ny siansa ve fa diso ny Baiboly? Tena nitranga tokoa ve ireo fahagagana tantaraina ao amin’ny Baiboly?
Hoy ny taratasy iray avy any Buffalo, any New York: “Vao avy namita ny famakiana ilay boky hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes? aho. Tsy vitan’ny hoe miresaka amin’ny fomba feno izay fanakianana rehetra ataon’ny olona momba ny Baiboly izy io fa manome fanazavana mazava koa raha ny amin’ny antony tokony hanekena azy ho Tenin’Andriamanitra.”
Ny tenanao mihitsy no aoka handinika ny porofo. Mahazoa an’io boky tsara dia tsara io amin’ny famenoana sy fandefasana amin’ny paositra ilay tapakila miaraka aminy.
Maniry ny hahazo ilay boky mifono baoritra 192 pejy hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes? aho. (Raha tsy mipetraka eto Madagasikara ianao, dia manorata amin’ny iray amin’ireo adiresy voasoratra ao amin’ny pejy faha-2.)