Maniry mafy ve ianao ny hahatongavan’ny fotoana . . .
◻ hahafahanao hahatsiaro tena ho voaro sy tsy hanana ahiahy ao an-tokantranonao — na amin’ny firy izany na amin’ny firy?
◻ tsy hilàna hidim-baravarana, hazo fanidiana, lakolosy fanairana, loaka amin’ny varavarana hijerena izay mitsidika, fefy, mpiambina, alika miambina, ary zavatra maro hafa hiarovantena?
◻ hahafahanao handeha irery eny amin’ny arabe ao anatin’ny tsy fananana ahiahy tanteraka, na dia amin’ny alina aza?
◻ hahatongavan’ireo zavatra mahadomelina manimba sy ny zava-manahirana mifandray aminy rehetra ho anisan’ny fahatsiarovana lavitra fotsiny?
◻ ho nitsaharan’ny ady rehetra, sy tsy hanaovana na hanangonana fiadiana intsony?
◻ tsy hilànao ny hanahy ny amin’ny sakafo sy ny rivotra ary ny rano voaloto intsony?
◻ hahafoana tanteraka ny fampihorohoroana, ny fakana takalon’aina, ary ny baomba mandrahona?
◻ hahavoaro ireo haren’ny tany, ka hikarakarana sy hampiasana izany amim-pahendrena ho tombontsoan’ny rehetra?
◻ tsy haha-hery manosika ny olombelona hanao zavatra intsony ny faniriana mihoa-pampana sy ny fitiavan-tena?
◻ hihazonan’ireo ankizy ny tsy fananany tsiny ka hanajany ny hafa sy ny fananan’ny hafa?
◻ tsy hampahoriana sy hitondrana amin’ny fomba ratsy ireo vehivavy?
◻ haha-ara-drariny ireo lalàna sy fitsipika ka hampiharana izany araka ny rariny mba hahasoa ny rehetra?
◻ hanaovan’ny fitondram-panjakana fanapahankevitra mifototra amin’ny zavatra tena ilaina marina fa tsy amin’ny politika?
◻ tsy hiresahana ny amin’ny fahafahana sy ny fitovian-jo fotsiny fa hampiharana azy koa?
◻ tsy hisian’ny fahantrana intsony, fa hahazoan’ny rehetra na inona na inona ilainy ho an’ny fahasalamany, ny toe-piainana mahafinaritra ary ny fahasambarany?
◻ haniriana sy hikarakarana ireo ankizy fa tsy hitondrana azy amin’ny fomba ratsy na hanariana azy?
◻ ho nandresena ny aretina sy ny fahafatesana, ka tsy hisian’ny areti-mandringana mahatahotra?
◻ tsy hahitanao afa-tsy olona tsara fanahy, tia manampy ary azo itokiana?
◻ hiheverana ny ain’ny tsirairay ho tena sarobidy tokoa, ary hahitan’ny rehetra fahasambarana maharitra?
◻ tsy haha-hery mampisaraka ny fivavahana intsony ka hitondrany fitompoan-teny fantatra, fankahalana ary ady?
◻ hananan’ny rehetra toeram-pivelomana mahafapo sy mahafinaritra, ary hahatongavan’ny tsy fananana toerana hipetrahana ho zavatry ny lasa?
Raha afaka mamaly hoe eny an’ireo fanontaniana eo ambony ireo ianao, dia hahaliana anao ny hamaky ireo lahatsoratra manaraka.