Boky hafa mihitsy ve ny Baiboly?
Raha eny, nahoana izy io no niharan’ny famelezana mafy aoka izany nandritra ny tantara? Azo itokiana ve ny Baiboly? Tena niseho tokoa ve ireo fahagagana raketiny? Voaporofon’ny siansa ve fa tsy marina ny Baiboly?
Iankinan’ny aina ny valin’ireo fanontaniana ireo, raha ny amin’ny fanambaran’ny Baiboly ny handravana an’izao tontolo izao tsy ho ela sy ny fomba hahatafitana velona. Ilay boky hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes? no hanome anao valinteny mahafapo.
Raha maniry hahazo io boky io ianao dia fenoy ary alefaso paositra ity tapakila eto ambany ity.
Aza fady, mba alefaso ho ahy tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ny boky hoe La Bible — Parole de Dieu ou des hommes? Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 800 Fmg.