Fitondrantena izay mampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra
Tsy ela izay, ny mpitari-draharaha ao amin’ny kaompania iray any Caracas, any Venezuela, dia nandefa taratasy ho an’ny loholona sy ny mpikarakara momba ny asa tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo akaikiny. Izao no nosoratany tao: “Nahazo filazana tena tsara ny amin’ny olona ao amin’ny fivavahanareo izahay mikasika ny fahatsapany andraikitra sy ny fanaovany ny marina. Noho izany antony izany no anatonanay anareo. Noho ny tsy fanananay mpiasa amin’izao fotoana izao, dia mila maika mpiasa roa hitana izao toerana izao izahay: ny iray ho mpamily fiara, ary ny iray hafa ho mpiandraikitra ny fitahirizana ny entanay. Hankasitrahanay tokoa izay filazalazana rehetra azonareo omena mikasika olona ao amin’ny kongregasiona misy anareo na ny iray eto akaiky eto. Tsy irinay tokoa ny hanarama mpiasa tsy Vavolombelona. Aza fady mba ampahafantaro anay na dia tsy misy olona azo ampiasaina aza, satria hiandry ny valinteny avy atỳ aminareo izahay alohan’ny hanaovana fanapahan-kevitra na inona na inona.”
Rehefa avy nahita ilay taratasy teo ambanin’ny varavaran’ny Efitrano Fanjakana ny iray tamin’ireo loholona, dia nandeha nitsidika ny tompon’ilay kaompania voaresaka. Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny 15 taona ilay tompony ary tadidiny fa tsy nanan-java-nanahirana lehibe tamin’ny mpiasany Vavolombelona izy. Nilaza azy ireo ho mpiasa mitandrina tsara, mandray andraikitra, manao ny marina, ary marisika izy. Avy eo, dia hoy ny nanampiny: “Fantatro fa tsy leferinareo ny mpanao ratsy, ary roahinareo izy ireny. Izany dia mampiseho fa tsy maniry ho tonga mpiray tsikombakomba amin’ny olona toy izany ny kongregasionanareo.
Mampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra ny fitondrantena toy izany. (Titosy 2:10) Izany dia vokatry ny faniriana tena marina hifikitra mafy amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena voasoritra ao amin’ny Baiboly.