Miteraka vokatra tsara ny fitondrantena tsara
Ny rahalahy iray any Brezila dia manazava hoe tamin’ny fomba ahoana no nanomezan’ny fitondrantenany tany am-piasana vokatra tsara. “Tany amin’ny toerana niasako taloha, dia nisy filaharan’ireo izay niandry ny hahazo ny sakafony foana tamin’ny antoandro. Misisika na misotasota mihitsy aza ny sasany mba hahafahana hisosoka ny hafa, ka mitarika fifandirana sy fifamelezana. Ny mpiasa iray izay, nanana antsy sy basy poleta tany aminy, dia teo afovoan’ireny ady ireny matetika. Voamariny fa tsy niditra tao amin’ny filaharana aho fa niandry teo akaiky mandra-pahatapitry ny olona rehetra. Nanontany ahy àry izy hoe: ‘Nahoana ianao no tsy milahatra?’ Nohazavaiko taminy ary nanao fanambarana fohy taminy aho. Nahagaga azy ilay anarantsika hoe Vavolombelon’i Jehovah. Ny ampitson’iny izy dia tsy niady mba hidirana tao amin’ny filaharana fa nihantsy ahy. Toy izao ny fandehan’ny resakay:
“ ‘Hoy ianao hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao. Asehoy ahy àry hoe aiza ao amin’ny Baiboly Andriamanitra no milaza fa tokony ho vavolombelony isika.’
“ ‘Manana Baiboly ve ianao any an-trano?’ hoy aho.
“ ‘Tsy manana aho, fa ny mpifanolobodirindrina amiko manana ary afaka mindrana ny azy aho. Raha afaka mampiseho amiko ao amin’ny Baiboly ianao fa milaza Andriamanitra hoe tokony ho vavolombelony isika, dia ho tonga vavolombelony aho.’
“ ‘Tandremo izay lazainao!’ hoy aho nampitandrina azy.
“ ‘Olona mitana ny teny nataoko aho’, hoy izy nirehareha.
“ ‘Nosoratako ho azy ny Isaia 43:9-12. Nony tonga tany an-tranony izy, dia nankany amin’ny mpifanolobodirindrina taminy izay nanampy azy hahita ilay andinin-teny. ‘Ampy izay!’ hoy izy tamin’ilay mpifanolobodirindrina taminy. Nody izy ary nanambara tamin’ny vadiny hoe: ‘Ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho.’
“ ‘Adala angaha ianao!’ hoy ny navalin’ny vadiny. ‘Ahoana no ahafahanao hanapa-kevitra ny ho Vavolombelon’i Jehovah ao anatin’ny iray minitra?’
“Ny ampitson’iny, tany am-piasana, dia nanatona ahy ilay rangahy ary niteny hoe: ‘Marina ny nolazainao. Maniry ny hatao batisa haingana aho.’ Nohazavaiko taminy fa tsy tahaka izany fotsiny ny fandehany fa tsy maintsy mianatra ny Baiboly izy aloha. Natomboka ny fianarana, ary tatỳ aoriana, dia tsy ilay rangahy ihany no natao batisa fa ny vadiny sy ireo zanany sivy koa. Loholona izy izao. Ny telo amin’ireo zanany lahy dia mpikarakara momba ny asa. Ny zanany vavy iray dia mpitory maharitra manokana. Ary ny isan’ireo olona nampiany ho tonga ao amin’ny fahamarinana, dia efa mahaforona kongregasiona iray.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Dairy 1989 (anglisy)