FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/6 p. 32
  • Famaliana ny fanasana hoe ‘avia’ maneran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famaliana ny fanasana hoe ‘avia’ maneran-tany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/6 p. 32

Famaliana ny fanasana hoe ‘avia’ maneran-tany

Tany Guam, dia nahazo ny fanasana hoe “avia” ka ‘misotroa maimaimpoana amin’ny ranon’aina’ ny vadin’ny tompon’ny fivarotan-java-pihinana iray. Na dia katolika nafana fo aza ny fianakaviany sy ny manodidina azy, dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy. Avy hatrany izy dia nanao fanambarana tampotampoka. Tsy hadinony ny niresaka ny amin’ny fahamarinana tamin’ny vadiny sy ny nampirisika ny fianakaviany mbamin’ireo mpiasa tao amin’ny fivarotany mba hiara-hianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Herintaona teo ho eo izay, dia natao batisa io ramatoa io, zavatra izay nahagaga mafy ireo olona nahafantatra azy hatramin’ny ela.

Rehefa nangataka azy mba hanohy hitarika ny iray tamin’ireo fivarotany ny vadiny, dia nihanihena ny fotoana nahafahany nanao ny asa fitoriana isan-trano. Tsy nahakivy azy anefa izany, fa nanohy nanao fanambarana tamim-pahasahiana tamin’ireo havany ary koa tamin’ireo mpividy sy mpiasa tao amin’ny fivarotany izy. Inona no vokatr’izany? Efatra tamin’ireo rahavaviny ara-nofo ary telo tamin’ireo zaobaviny no nanomboka nianatra. Ny vadiny izao dia mamotopototra ny Baiboly, ary miara-mianatra amin’ireo zanany telo izy. Mianatra ny Baiboly koa izao ny zatovolahy iray miteny vahiny, naman’ny vadiny. Raha ny amin’ireo mpiasa ao amin’ny fivarotany kosa, ny dimy tamin’izy ireo koa dia nanomboka nianatra. Endrey ny hafaliany nahita ny sasany tamin’ireo havany sy ireo mpiasany, ary ny zanak’ireo — olona 50 amin’ny fitambarany — nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’ny i Kristy! Eny tokoa, azo ampitaina amin’ny alalan’ny fanaovana fanambarana tampotampoka ny fanasana hisotro amin’ny ranon’aina.

Manerana an’i Nigéria, dia misy teratany mpanasitrana amin’ny raokandro an’arivony maro, ary saika izy rehetra ireo dia mampiasa demonisma amin’ny fanasitranana ataony. Ny iray taminy aza dia nandrahona ny hamono ireo Vavolombelona. Rehefa tonga nitsidika azy tao an-tranony ny rahalahy iray, dia naka haingana fanafody efa voaomana ilay mpanasitrana io, ary rehefa avy niboeriboerika izy, dia namafy izany teo amin’ny tarehin’ilay Vavolombelona. “Afaka fito andro ianao dia ho faty!” hoy ny fihiakany, sady nihidy tao an-tranony izy.

Nandeha nody ilay rahalahy ary niantso ny iray tamin’ireo loholona. Fito andro tatỳ aoriana dia mbola velona soa aman-tsara izy, ary nanapa-kevitra ny hitsidika ilay mpanasitrana izy sy ilay loholona. Raha nanatona ny tranony ireo rahalahy, dia nihazakazaka nivoaka izy sady nikiakiaka fa nahita matoatoa. Rehefa nahare izany tabataba izany ny olona dia nitangorona, ary dia nitony ihany izy tamin’ny farany. Natao ny fandaharana mba hitsidihana azy telo andro taorian’io. Natomboka àry ny fianarana ny Baiboly niaraka taminy, ary nanaiky ny fahamarinana io mpanasitrana io.

Ny ankizy koa dia mandray anjara amin’ny fampitana io fanasana hoe “Avia!” io. Tany Frantsa, tamin’ny 1983 i David, izay valo taona tamin’izay, dia nanatrika ny fianarana ny Baiboly notarihin’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin-dreniny. Noresahin’ilay ankizilahy kely tamin’ny raibeny sy ny renibeny avokoa ireo zavatra rehetra nianarany, indrindra fa ny fanantenana ny amin’ny Paradisa. Izao mihitsy aza no nolazainy taminy: “Tiako ho tonga Vavolombelon’i Jehovah ianareo ka hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa.” Na dia katolika nafana fo be aza ireo raibeny sy renibeny, dia nanohina ny fony ny firesahan’ny zafikeliny taminy tsy tapaka ka nanaiky ny hianatra ny Baiboly izy ireo, ary natao batisa tamin’ny 1986. Nandritra izany fotoana izany, ny renin’i David dia nitsahatra tsy nianatra ny Baiboly intsony, fa izy kosa dia nanohy ihany. Isan-kerinandro izy dia nitaingina bisikilety tamin’ny lalana 30 kilaometatra ho any amin’ny raibeny sy renibeny mba hiara-handray anjara amin’ny asa fitoriana ary hiara-hamonjy ireo fivoriana aminy. Nanao fanambarana tamin’ny roa tamin’ireo dadatoany koa izy, ary mianatra ny Baiboly izao izy ireo. Noho ny asa fanambarana nataon’io ankizilahy io, dia tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana ny efatra amin’ny havany.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Dairy 1989 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara