“Manana ny Efitrano Fanjakananay izahay izao”
BE DIA BE ny teny voasoratra momba ireo Efitrano Fanjakana naorina araka ny fomba fanorenana haingana any amin’ny tany toa an’i Grande-Bretagne, Kanada ary Etazonia. Kanefa matetika dia tsy fantatra fa efa hatramin’ny am-polony taona maro no nanorina toeram-panompoam-pivavahana araka ny fomba haingana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo tany lazaina hoe eo an-dalam-pandrosoana.
Atsy Afrika, ireo Vavolombelona mazàna dia manamboatra fanorenana vonjy maika hanaovany ny fivoriamben’ny distrika ao anatin’ny herinandro vitsivitsy. Ireny toerana namboarina ireny dia tsy vitan’ny hoe hanaovana ireo fivoriana sy hialofana amin’ny hainandro migaingaina any amin’ny tany mafana fotsiny, fa ho filasian’ireo mpanatrika koa. Misy mitovy amin’izany koa any Amerika afovoany.
Any Guatemala City, any Guatemala, ohatra, ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Vivibien dia nahazo fanomezana an-tsitrapo mitovy amin’ny 300 000 FMG ny habetsahany. Rehefa nanome tany iray any ambanivohitra ny rahalahy iray, dia nanapa-kevitra ireo Vavolombelona fa hampiasa io fanomezana io mba hanaovana fanorenana tsotra iray ho an’ireo fivoriana.
Nifidy ny hanao fefy volotsangana iray metatra sy sasany ny haavony izy ireo, ary ny hanisy elanelana malalaka eo ambonin’izany mba hidiran’ny rivotra. Notapahina ny hevitra fa hatao 4 metatra ny sakan’ilay efitrano ary 6 metatra ny halavany. Rehefa tonga teny an-toerana ireo loholon’ny kongregasiona, dia gaga nahamarika fa teo anoloan’ilay tany dia nisy ala-na volotsangana maromaro teo amin’ny 6 ka hatramin’ny 9 metatra teo ho eo ny haavony ary teo amin’ny 8 ka hatramin’ny 13 sentimetatra teo ho eo ny savaivony (diamètre). Nifampiresaka toy izao àry izy ireo: “Nahoana isika raha manorina amin’ny asabotsy ho avy izao?”
Vita ny alarobia hariva nanaraka ny planina. Ny alakamisy, ny Vavolombelona iray dia nividy fanitso hatao tafo, ny iray hafa nividy hazo fanaovan-trano, ary ny fahatelo fantsika. Ny alakamisy tolakandro, dia notapahina ilay hazo araka ny refy nilaina ho an’ny tafon-trano ary natomboka nakambana tamin’ny alalan’ny takela-metaly. Ny zoma hariva, dia vita ireo hazo nilaina ho an’ny tafon-trano.
Ny asabotsy vao maraina, dia notaterina tamin’ny kamiao ireo hazo voatapaka ho an’ny tafon-trano sy ireo tapa-kazo hafa, ireo fanitso hatao tafo ary ireo fantsika, ho eny amin’ilay tanàna kely, izay efa nankanesan’ny fiara efatra koa nitondra lehilahy, sy vehivavy ary ankizy teo amin’ny 50 teo ho eo. Tamin’ny valo, dia teo an-toerana avokoa ny rehetra.
Ireo tolam-baravarana lehibe indrindra dia natao tao anaty lavaka noloahina tamin’ny tany, izay tany volkano. Nividy tahom-bolotsangana 50 tamin’ny tompon’ilay ala kely ireo Vavolombelona tamin’ny voalohany, teo amin’ny 175 FMG teo ho eo ny vidin’ny iray, izany hoe vola 8 750 FMG ny totaliny naloany. Notapahina haingana tamin’ny antsy be ireo volotsangana, ary avy eo dia notsofana tamin’ny tanana ho iray metatra sy sasany ny halavany ary nosamahina.
Ny sasany dia nampiakatra ireo hazo ho an’ny rafi-trano, ary nandritra izany fotoana izany, ny hafa kosa dia namantsika ireo sila-bolotsangana nataony nifanapaka tamin’ireo hazo nitsivalana, ny antsasany tany ivelany ary ny antsasany kosa tao anatiny, hany ka mandravaka sy manome endriny tsara ireo lafiny roa amin’ny rindrina ny volotsangana. Avy eo dia napetaka ny tafon-trano ary nanomboka notaterina ny vato sy ny tany mba hanarina ny ngorodona natao tany. Vita tao anatin’ny 12 ora ilay efitrano, talohan’ny filatsahan’ny alina, ary dia nody tany an-tanàna ireo Vavolombelona, ny fony feno haravoana.
Tatỳ aoriana, dia nasiana ravin-kazokesika ny ngorodona, ary nisy seza azo aforitra sy dabilio natao tamin’ireo tahom-bolotsangana tsy nampiasaina napetraka tao. Vonona ho amin’ny fivoriana voalohany àry ilay Efitrano.
Any amin’ny tany mafana maro be — atsy Afrika, any amin’ny misy ny ranomasina Pasifika, any amin’ireo nosy Antilles, any Azia, any Amerika afovoany ary any Amerika atsimo — izay misy Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny iray tapitrisa eo ho eo, ny fanorenana toy izany dia nanome ireo Vavolombelona teo an-toerana fifaliana hilaza hoe: “Manana ny Efitrano Fanjakananay izahay izao.”