Tadidinao ve?
Hitanao ve fa azo nampiharina ireo nomerao faramparany tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana? Nahoana àry raha tsapainao ny fitadidianao amin’ny alalan’ireto fanontaniana manaraka ireto?
◻ Inona no tsy maintsy ataontsika mba hisian’ny firaisan-kina sy ny fiadanana eo amin’ny olona avy amin’ny foko rehetra araka ilay fahitana ao amin’ny Isaia 2:4?
Voalohany indrindra, dia tsy maintsy ekentsika fa zon’i Jehovah, Mpamorona antsika, ny hampianatra antsika “ny amin’ny làlany”. Ary faharoa manaraka izany, dia tsy maintsy manana faniriana mafy ny hiaina mifanaraka amin’ireo lalàn’Andriamanitra isika amin’ny filazana hoe: ‘Handeha amin’ny atorony isika.’ (Isaia 2:2, 3). — 15/3, pejy faha-5 sy faha-6.
◻ Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy kivy na very toky noho ny fankahalana sy ny fanoherana maneran-tany?
Efa nambaran’i Jesosy mialoha fa ny fanoherana sy ny fankahalana toy izany dia ho famantarana ireo tena mpivavaka marina. (Jaona 15:20, 21; 2 Timoty 3:12). Ireo mpitory ny vaovao tsara àry dia mahazo antoka fa manana ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ambonin’izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahafantatra fa manana ny fanohanan’ilay Andriamanitra Avo indrindra izy, dia i Jehovah izany. -1/4, pejy faha-12.
◻ Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fepetra fototra tsy maintsy fenointsika raha tiantsika hahazo valiny ny vavaka ataontsika?
Tsy maintsy mino amim-pahatsorana isika fa misy Andriamanitra. Tsy maintsy “mazoto mitady azy” isika, amin’ny fatokiana fa mamaly soa izay manao izany izy. (Hebreo 11:6). Ary koa tsy maintsy manatona an’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy isika, ary amin’ny alalany ihany. (Jaona 14:6, 14). — 15/4, pejy faha-4 sy faha-6.
◻ Inona no atao hoe “fifikirana amin’Andriamanitra”? (1 Timoty 3:16, MN ).
Ny fifikirana amin’Andriamanitra dia ny fanajana fatratra, ny fanompoam-pivavahana ary ny fanompoana an’Andriamanitra, miaraka amin’ny tsy fivadihana amin’ny fiandrianany manerana izao rehetra izao. — 15/4, pejy faha-11.
◻ Iza moa ilay “lehilahin’ota’ resahin’i Paoly ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:3?
Tsy niresaka ny amin’ny olona manokana iray i Paoly, satria milaza izy fa efa niseho tamin’ny androny io “lehilahy” io ary hanohy hiaina hatramin’ny fotoana handringanan’Andriamanitra azy amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity. Noho izany àry dia ara-panoharana ilay teny hoe “lehilahin’ota”. Manaporofo ny zava-mitranga fa izy io dia ny kilasin’ireo mpitondra fivavahana miavonavona sy feno fanirian-daza ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, izay nanandra-tena nanao lalàna ho an’ny tenany nandritra ireo taonjato maro lasa. — 1/5, pejy faha-11.
◻ Amin’ny fomba ahoana no hahafoana ny faniriana mihoa-pampana?
Tsy azo atao ny mandresy ny faniriana mihoa-pampana eo amin’ny olombelona raha tsy amin’ny alalan’ny fianarana sy ny fiofanana mety, ary ny fanarahana torolalana na lalàna hentitra momba ny fitondrantena. Tsy maintsy avy amin’ny loharano tsy misy faniriana mihoa-pampana velively ny fampianarana toy izany. Ilay Andriamanitry ny lanitra irery ihany no afaka manome izany karazam-pampianarana izany, ary ao anatin’ny boky fianarana nosoratany, dia ny Baiboly Masina, no ahitana azy io. — 15/5, pejy faha-5.
◻ Raha ny hampitombo fifikirana amin’Andriamanitra no tadiavintsika amin’ny fianarantsika ny Baiboly manokana, dia tsy maintsy mahafaoka inona izany?
Tsy mety ho ny famakiana pejy sasantsasany fotsiny ka hameno amin’izany ny saina amin’ny fanazavana, no zava-kendren’ny fianarana manokana. Rehefa mamaky tapany iray ao amin’ny Tenin’Andriamanitra kosa ny mpianatra iray, dia tokony haka fotoana hisaintsainana izay vakiny mba hahafantarana izay ampianarin’izany momba ny toetra tsaran’i Jehovah sy ireo fomba fanaovany zavatra mba hanahafany bebe kokoa an’i Jehovah amin’ireo lafiny ireo. — 1/3, pejy faha-13.
◻ Nahoana no tokony ho tafiditra ao amin’ny fianarantsika manokana ny Baiboly ny famakiana tsy tapaka ny fitantarana momba an’i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara?
Ny ohatr’i Jesosy dia manampy antsika hamboly fifikirana amin’Andriamanitra. Nahafantatra ny Rainy tsara lavitra noho ny olon-kafa i Jesosy, hany ka afaka nanahaka akaiky dia akaiky ny fomba fanaovan’i Jehovah zavatra sy ireo toetrany izy. Noho izany àry, izy dia namela ohatra tanteraka ny amin’ny fanehoana fifikirana amin’Andriamanitra. (Jaona 1:18; 14:9; Romana 13:14). — 1/3, pejy faha-16.
◻ Ao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ny talenta, dia nidika inona moa ny fampiasana ireo talenta? (Matio 25:19-23).
Ny fampiasana ireo talenta dia nidika ho fanaovana ny asa tamin’ny naha-irak’Andriamanitra tamim-pahatokiana, fanaovana mpianatra ary fizarana ny fahamarinana ara-panahy ho an’ny ankohonan’Andriamanitra. (Matio 24:45; 28:19, 20; 2 Korintiana 5:20). — 15/6, pejy faha-13.
◻ Inona avy ireo lafiny telo maha-manokana ny Baiboly raha oharina amin’ireo loharanon-torohevitra hafa rehetra?
Voalohany, dia mahasoa foana ny torohevitra omeny. (Salamo 93:5) Faharoa, dia nandalo tamim-pahombiazana ny fisedran’ny fotoana ny Baiboly. (Isaia 40:8; 1 Petera 1:25) Fahatelo, dia tsy manam-paharoa ny hamaron’ny karazana torohevitra raketin’ny Baiboly. Na inona na inona zava-manahirana na fanapahan-kevitra atrehintsika, dia misy fahendrena ao amin’ny Baiboly izay afaka manampy antsika. — 1/7, pejy faha-13.
◻ Inona avy ireo lafin-javatra manamarina roa mba hampiharihariana fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly fa tsy tenin’olona?
Ny fahendrena tsy manam-paharoan’ny Baiboly sy ny heriny mampiova olona. (Ohabolana 2:1, 5, 6; Hebreo 4:12). — 1/7, pejy faha-21.