‘Mitory ny fahafahana’ i Eoropa
Any Soeda, ny fiangonam-panjakana loterana dia efa resy am-boalohany ihany na dia manao ezaka mafy aza. Maherin’ny 90% amin’ireo Soedoa no mpikambana amin’io Fiangonana io, nefa antokon’olom-bitsy aminy ihany no manatrika tsy tapaka ireo fotoam-pivavahana. Tamin’ny taona lasa, dia olona an’arivony maro no nangataka mba hovonoina tsy ho eo amin’ny lisitry ny Fiangonana ny anarany.
Velom-panahiana ireo filoham-pivavahana tany atsimo amin’io tany io ka nandamina seminera roa mba handinihana izany raharaha izany. Koa satria fantatra fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia anisan’ireo vondrom-pivavahana mitombo isa haingana indrindra any Soeda, dia nangataka tany amin’ny biraon’ny sampana ireo mpandamina an’io seminera io raha mba misy Vavolombelon’i Jehovah anankiray afaka manazava amin’izy ireo ny amin’ny finoantsika, ny fomba fiasantsika ary ny fandaminantsika. Nandefa mpiandraikitra ny distrika iray ny sampana, ka io no nanao lahateny teo anatrehan’ny seminarista, ary namaly ny fanontaniany.
Tamin’ny seminera voalohany izay natao tamin’ny febroary 1986, dia nisy pretra dimampolo teo ho eo sy solontena hafan’ny Fiangonana tonga teo. Nihaino tsara an’ilay Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tamin’ny toe-tsaina malefaka sy feno fanajana. Rehefa vita ilay fivoriana dia nahapetraka boky 5 sy bokikely 25 ary gazety 30 izy.
Natao tamin’ny febroary 1987 indray ny seminera manaraka. Mpitondra fivavahana roapolo teo ho eo sy mpampianatra sosiolojia ara-pivavahana iray ary mpampianatra teolojia mpanampy iray ao amin’ny oniversiten’i Lund no tonga nanatrika teo. Nanolotra an’ilay mpiandraikitra ny distrika tamin’izao teny izao ny prezidà, izay sady pretra koa: “Voalohany indrindra, dia tiako ny milaza aminareo fa azo antoka fa tsy misy na dia iray amintsika izao aza, amin’ny toe-javatra mitovy, hanaiky hitory tahaka an’ity vahinintsika ity. Fantatro fa manao izany manontolo andro sy maimaimpoana izy. Isika pretra kosa, mifanohitra amin’izany, dia mitaraina noho ny karamantsika ary mitaky fampisondrontan-karama foana.”
Nandritra ilay fivoriana, ireo mpanatrika dia nametraka fanontaniana maro ary toa nanaiky ny fanazavana nomen’ilay Vavolombelona. Taorian’ilay fivoriana, ny ankamaroan’izy ireo dia nangataka zavatra vita an-tsoratra taminy. Bokikely 25 sy gazety 20 teo ho eo no napetrany tamin’izy ireo. Niaiky taminy ny mpitondra fivavahana tanora iray fa nahavariana azy ny fandaminantsika. “Mahagaga ny mahita fa ny firaisam-pinoanareo sy firahalahianareo tsy misy toy izany any amin’ny tany maherin’ny 200 eo amin’izao tontolo izao dia tena mampiray anareo tokoa”, hoy ny nambarany taminy ary avy eo dia nilaza ny alahelony izy noho ireo zava-manahirana setrain’ny Fiangonana any Soeda.
Raha mbola mitatao tahaka ny rahona manjombona eo ambonin’ny Eoropa ny fandrahonan’ny ady noklehera, ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia mitory fahafahana izay Jehovah irery ihany no afaka manome izany (Isaia 61:1). Na dia ireo sarotra tratrarina aza dia mahare izany vaovao tsara izany. Izany no asehon’ity zava-nitranga manaraka ity:
Any Aotrisy, izay nanaovan’ireo mpitory ezaka manokana mba hitory amin’ireo marenina, nandritra ny taom-piasana 1987, ny zatovolahy marenina iray dia nahita gazety Ny Tilikambo Fiambenana iray tao amin’ny fiandrasana fiarandalamby. Noho ny fitiavany hahafanta-javatra, dia noraisiny ilay gazety ary dia novakiny. Nanaitra ny sainy ny teny hoe: “Jehovah”. ‘Angamba izany anaran’ny anankiray amin’ireo apostolin’i Jesosy’, hoy izy anakampo, dia notohizany ny vakiteniny. Nisy lahatsoratra iray toa tena nanohina ny fony lalina, ary noho izy naniry foana hatramin’izay ny hampahafantatra ny amin’Andriamanitra tamin’ny mpiara-belona aminy, dia nanatona ny biraon’ny sampana any Vienne izy, ary ny tao kosa nanondro azy ny toerana fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah marenina. Nanatrika ny fivoriana voalohany izy tamin’io herinandro io ihany, na dia voatery nandeha 90 km aza izy mba hahatongavana tany. Efa niteraka vokany sahady ny zotom-pony satria misy mpivady sembana ara-pandrenesana miara-mianatra Baiboly aminy ary manatrika tsy tapaka ireo fivoriana.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1988 (anglisy)