Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Namoha ny fahalianan’izy ireo ny ankizy iray dimy taona
ANISAN’IREO Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 40 000 any Venezuela, dia nisy ankizilahy kely iray dimy taona izay nahita fanandraman-javatra manohina ny fo. Izy io dia nihaino tamim-pitandremana ireo lahateny ampahibemaso nifototra tamin’ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou Création? Ary tatỳ aoriana, ireo fandinihan’ny fianakaviany io boky io ihany. Azon’io ankizilahy kely dimy taona izay avy amin’ny fianakaviana teokratika io àry fa lazain’ny fivoarana miandalana hoe avy tamin’ny “lasopy” no niavian’ny olombelona. Ny fizarana iray amin’io boky io mantsy dia miresaka ny amin’ny fampianaran’ny fivoarana miandalana fa nivoatra avy tao amin’ny lasopy ôrganika iray ny fiainana.
Nandritra ny 14 taona, ny fianakaviana iray (mpivady, zatovolahy roa, ary ankizivavy kely fito taona) nifanila trano tamin’ilay fianakaviana Vavolombelona dia tsy niraika tamin’ny fangatahan’izy ireo handalina ny Baiboly na tamin’ny fanasany ho any amin’ny Efitrano Fanjakana.
Indray andro, raha nanasa lovia ilay reny Vavolombelona, dia nahare resaka nahaliana iray nifanaovan’ny zanany lahy kely sy ilay ankizivavy kely nifanila trano taminy teo akaikin’ny fefy nampisaraka ny tranon’izy roa tonta. Hoy ilay ankizilahy kely: “Tsy fantatrao akory! Ireo olona eo amin’izao tontolo izao dia mino fa avy amin’ny lasopy, hono, ny olona!” Namaly araka ny fomba fanaony ilay ankizivavy kely: “Adala angaha ianao!” Hoy indray kosa ilay ankizilahy kely: “Tsy adala mihitsy aho. Ireo olona eo amin’izao tontolo izao milaza fa avy tamin’ny lasopy iray ny olona; nefa i Jehovah no nanao ny olona.” Nihomehezan’ilay ankizilahy kely izany hevitra izany satria noheveriny fa ilay lasopy fihinana no noresahina, nefa tsy tia izany izy. Ary avy eo izy dia nanohy niteny tamin’ilay ankizivavy kely hoe: “Tokony homen’ny dadanay ilay boky Création ny dadanareo hahitany fa Andriamanitra no nanao ny olona.” Nolazain’ilay ankizivavy tamin’izay anefa fa katolika izy ireo, ary dia nofaranany teo ny resaka.
Rehefa nody avy niasa ny vadiny, izay loholona, dia notantarain’ilay anabavy taminy ilay resaka reny tsy nahy. Na dia nampihomehy azy ireo aza izay nitranga tamin’ireo ankizikely roa, dia nihevitra ilay rahalahy fa angamba notadiavin’i Jehovah hanao fanambarana indray tamin’ilay rangahy mpifanila trano taminy izy. Andro vitsivitsy taorian’izay àry dia nanatona azy izy ary nitantara taminy ny resaka nifanaovan’ireo ankizy. Nolazainy fa naniry ny hanome azy ilay boky Création avy tamin’ny alalan’ny zanany lahy kely izy. Nampirisihin’ilay Vavolombelona ilay mpifanila trano taminy mba hamaky azy amin’ny saina tsy miangatra mba hahafantarana ny niavian’ny fiainana.
Gaga ilay rahalahy, afaka andro vitsivitsy tatỳ aoriana, raha tonga tany aminy io mpivady io, izay tsy niraika tamin’ny fahamarinana nandritra ny fotoana ela be aoka izany, ka nilaza taminy fa nanenina izy noho ny fihetsika notanany nandritra izay taona maro be izay. Nilaza izy fa nahavariana azy ny hatsaran’ilay boky Création.
Ho vokatr’izany, dia nanomboka nianatra ny Baiboly io fianakaviana io. Nanomboka nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka izy ary vetivety taorian’izay, dia tonga mpitory ny vaovao tsara. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray izy mivady sy ireo zanany lahy roa, ary efa mpitory ilay Fanjakana koa izao ilay ankizivavy kely. Taorian’ny nanaovana batisa azy, ilay vehivavy dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy avy hatrany.
Fantatr’i Jesosy Kristy ireo izay manana fo tsara, ary afaka mampiasa na dia ireo mbola kely aza izy mba hahazoana ireny fo tsara ireny. — Jaona 10:14.