FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/5 p. 7
  • Nahoana i Jehovah no nanambara ny anarany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana i Jehovah no nanambara ny anarany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
  • Iza no Anaran’Andriamanitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/5 p. 7

Nahoana i Jehovah no nanambara ny anarany?

Misy fanazavana momba ny “Testamenta Taloha” iray natonta tany Polonina tamin’ny 1964 izay namaly io fanontaniana io tamin’ny fomba mampieritreritra tokoa. Nanoratra toy izao ny Dokotera Stanislaw Lach, profesora ao amin’ny oniversiten’i Lublin, izay nahazo lalana hanonta avy tamin’ny Eglizy katolika romana:

“Ireo voavotra dia tompon’andraikitra ny amin’ny anaran’Andriamanitra eo anoloan’ny olombelona rehetra.” Andraikitr’ireo Isiraelita ny nanao fiezahana mba “hahafahan’ny Jentilisa hitahy ny anaran’i Iahve [Jehovah] ary tsy hiteny ratsy” izany. “Misy dikany ny hoe Iahve. (...) Izao tontolo izao dia hotsaraina arakaraka ny fandraisany ireo izay mitory izany anarana izany.” Nanambara io profesora io fa “ho lehibe eo amin’ireo firenena ny anarana hoe Iahve. (...) Hiely maneran-tany izy io. Araka ny filazan’i Mosesy, dia izany no hitranga (...) amin’io anarana io.”

Izany tokoa no ho izy araka ny faminanian’i Malakia 1:11 manao hoe: “Lehibe any amin’ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” Ary iza moa ankehitriny no manambara izany anarana izany maneran-tany, mba hahatonga ‘na zovy na zovy hiantso ny anaran’i Jehovah hovonjena’? Ny Vavolombelon’i Jehovah! Raharaha mahakasika ny ain’ny olona ny fomba fandraisany ireo ‘olona hankalazana ny anarany’, eny “ireo izay mitory izany anarana izany”. Manao ahoana ny fandraisanao an’i Jehovah sy ny Vavolombelony? — Asan’ny apostoly 2:21; 15:14; ampitahao amin’ny Malakia 3:16-18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara