“Tsy miolakolaka izy io”
Tsy mora ny mihalehibe amin’izao andro feno zava-manahirana izao. Miatrika tarehin-javatra vaovao maro be ireo tanora ary tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny zava-dehibe maro. Tokony hisotro zavatra misy alkaola ve aho? Na hanaiky zavatra mahadomelina? Inona no fitondrantena mety eo anatrehan’ny lahy na vavy tsy tahaka ahy? Mila valiny azo ampiharina ny tanora, valiny izay tsy miolakolaka. Rehefa avy namaky ilay boky hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques, ny tanora iray any Greensboro, any Caroline Avaratra, any Etazonia, dia nanoratra hoe:
“Mahafaoka zavatra maro be io boky io ary manome ohatra tsara dia tsara momba ny zava-manahirana tsirairay. Rehefa avy nanomboka namaky azy ianao, dia tsy afaka ny hametraka azy tsotra izao, satria mahaliana aoka izany ireo toko ao anatiny. Tsy miolakolaka izy io, raha azo atao ny miteny toy izany, fa manome valiny mivantana ho an’ilay zava-manahirana.
“Raha fintinina, io boky io dia tsy azo lavina fa tsara dia tsara, milaza ny marina, mahatalanjona, (...) tsy ampy ny teny hilazana ny hatsaran’io boky io. Mamporisika mafy dia mafy ny rehetra aho, indrindra fa ny tanora, mba hamaky io boky io.”
Fenoy ary avereno atỳ aminay ny tapakila etsy ambany mba hahazoana io boky vaovao voaravaka tsara io. 900 FMG monja ny vidiny.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ny boky mifono baoritra, 320 pejy, hoe Les jeunes s’interrogent — Réponses pratiques. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 900 FMG.