Azonao inoana ve ny Baiboly?
“REHEFA mifanena amin’olona milaza ho tsy mino ny fivoarana miandalana ianao, dia azonao ambara tsy amin’ahiahy tanteraka fa tsy mahay na inona na inoana, dondrona na tsy ampy saina izany olona izany.” Ahoana no fandraisanao ireo tenin’ny biôlôjista Richard Dawkins ireo? Raha mino ny Baiboly ianao, dia angamba mino kokoa ny famoronana noho ny tsangan-kevitra ny amin’ny fivoarana miandalana. Midika ve izany fa, noho ianao mino ny Baiboly dia tsy mahay na inona na inona, dondrona na tsy ampy saina ianao?
Hevero koa ity fanambarana ity: “Ireo mpahay ny Testamenta Vaovao dia nanaporofo tsy nisy fisalasalana mihitsy fa ilay Jesosin’ireo tahirin-kevitra kristiana voalohany dia tantara noforonin’ny sain’ny kristiana fotsiny amin’ny lafiny sasany.” Ireo teny avy ao amin’ny The Weekend Australian ireo dia nambaran’i Dr. Robert W. Funk, profesoran’ny oniversite momba ny fianarana fivavahana sady mpanoratra boky maromaro mikasika ny fanazavana ara-pivavahana.
Dr. Funk dia namorona antokona mpanao fikarohana iray nantsoina hoe Semineran’i Jesosy, antoko voaforon’ny mpahay Baiboly maherin’ny zato izay niara-nandinika tamim-pitandremana ny tenin’i Jesosy voambara ao amin’ny Baiboly. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nanatsoaka hevitra izy ireo fa tsy Jesosy no nanao ilay Vavaka nampianarin’ny Tompo; tsy niteny izy hoe ny malemy fanahy handova ny tany, na hoe ny mpampihavana no hatao hoe zanak’Andriamanitra; ary tsy nilaza izy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy (...) dia tsy ho faty mandrakizay.” — Jaona 11:25, 26; Matio 5:5, 9; 6:9, 10.
Na dia mety hahatafintohina anao aza ny famaranan-keviny, dia tsy zavatra maningana akory izany. Vokatry ny fanakianana ny Baiboly ankehitriny izany, ary nampianarina tany amin’ny seminera ara-pivavahana nandritra ny fotoana sasany ny hevitra mitovy amin’izany. Angamba efa mahazatra anao ny fihainoana ny fanoherana lava ataon’ny mpahay siansa momba ny Baiboly. Rehefa ny mpitondra fivavahana kosa anefa no mametraka fisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, dia mety hanontany tena ianao sao dia tonga ny fotoana tokony handinihana indray ny toerana misy anao. Araka ny fandrindran-kevitra ve ny hinoana ny Baiboly nefa avara-pianarana maro eo amin’ny sehatra ara-pivavahana no miharihary fa tsy manao izany?