‘Nanampy ireo zanakay vavy ho akaiky anay kokoa izy io’
Rehefa nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower ny mpampianatra iray any Murewa, any Zimbabwe, tamin’ny taon-dasa, dia nilaza toy izany ny amin’ny vokatra nentin’ny Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Nahazo ilay boky avy tamin’ny mpampianatra namany izy ary nanambara toy izao:
“Narahiko ny toroheviny ny amin’ny fomba handraisana soa be indrindra avy amin’io boky io, niaraka tamin’ny zanako vavikely 8 taona aloha, ary avy eo niaraka tamin’ny roa hafa, 16 sy 18 taona, izay kilasimandry ao amin’ny Sekoly ambaratonga faharoa eto an-toerana. Tena faly tokoa aho mampahafantatra anareo fa tena nampahery marina tokoa ny vokany teo amin’ireo zanako telo mirahavavy ireo. Voamarika hatramin’izay fa tena nihatsara ny fitondrantenan’izy ireo.” Nanampy toy izao ilay renim-pianakaviana: “Ilay boky dia nanampy tamim-pahombiazana ireo zanakay ho akaiky kokoa anay ray aman-dreniny, tsy toy ny teo aloha.”
Io boky misy pejy 256 io, mitovy velarana amin’ity gazety ity, dia mety ho azo amin’ny famenoana sy fandefasana ny tapakila eto ambany, miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 1800 FMG na 360 ariary. Io boky misy fitantarana araka ny Baiboly 116 io dia manome ho an’ny mpamaky ny hevi-dehibe ao amin’ny Baiboly manontolo. Ireo fitantarana dia aseho araka ny filaharana nisehoany teo amin’ny tantara. Ho tsapanao fa tena hanampy tokoa izany amin’ny fahafantarana ny fotoana nitrangan’ny fisehoan-javatra tsirairay teo amin’ny tantara. Nasiana sary mahafinaritra ilay boky ary natao sora-baventy.
Aza fady, mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Ampiarahiko ny vola 1800 FMG na 360 ariary.