FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 1/6 p. 23
  • Ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny hoavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny hoavy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
    Mifohaza!—1993
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 1/6 p. 23

Ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny hoavy

Avy amin’ny olona iray nahita ny lalan’ny fiainana

NANANA toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny fianakaviako ny fivavahana. Jiosy ny raiko, ary na dia niova ho katolika aza izy mba hahafahana manambady ny reniko, dia mbola nanana fanajana lehibe ny Baiboly ihany izy. Ny reniko dia avy tamina fianakaviana izay niorina mafy tamin’ireo lovantsofina katolika — relijiozy ny roa tamin’ireo rahavaviny, eveka ny iray tamin’ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy ary frera mitoka-monina ny roa tamin’ireo zanaky ny iray tam-po taminy.

Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia niteraka fahafatesan’ny raiko talohan’ny fotoana ny tebiteby sy ny tahotra ary ny fandrahonana lalandava ny hampidirina any amin’ny toby fitanana tamin’ny naha-Jiosy azy. Noho izy nino mafy fa tsy mety maty ny fanahy dia nandray anjara tamin’ny fivoriana nampiasa spiritisma mba hanandramana hifandray tamin’ny raiko ny reniko.

Rehefa tonga olon-dehibe aho, dia mbola nanan-toerana teo amin’ny fiainako ihany ny lovantsofina ara-pivavahana. Nitoetra ho “vehivavy katolika tsara” aho. Kanefa, tsy afaka nanazava izay hatolotry ny hoavy ho ahy ny fivavahana katolika. Aiza àry no azoko itodihana mba hahazoako fanampiana amin’ny fitadiavana ny valin’izany?

Toy ny nataon’ny reniko, dia naka hevitra tany amin’ireo nanao azy ho tsindrian-javatra aho. Koa satria natomboka tamin’ny fanaovana mariky ny lakroa sy ny vavaka ny fivoriana rehetra, dia nino aho fa avy tamin’Andriamanitra ireo zavatra hafahafa nitranga tamiko. Tamin’izay fotoana izay aho no naniry ny hanao zavatra mba hanalefaka ny fahorian’ny hafa ka niditra ho anisan’ny fikambanana katolika iray izay nandamina fandehanana ho any amin’ny toerana masina voatokana ho an’i Maria any Londres, toerana izay antenain’ny marary hahazoana fanasitranana mahagaga.

Mbola tsy nahare na inona na inona momba ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy aho hatramin’ny fotoana nandraisan’ny vadiko gazety roa izay nahaliana ahy tokoa. Ny tena nanohina ahy indrindra dia ny fanononan’ireo gazety ny Baiboly ho fanohanana ireo fanazavana omeny. Avy hatrany dia takatro fa tena hahasoa tokoa ireo gazety ireo ho amin’ny fahazoana fahalalana ny Tenin’Andriamanitra. Nanoratra aho mba hampanaovana famandrihana amin’ireo gazety roa. Tonga nitsidika ahy ireo Vavolombelon’i Jehovah, ary nanomboka nianatra ny Baiboly aho.

Nameno risi-po ahy ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly nianarako ary dia nanomboka niresaka ny amin’izany tamin’ireo olona fantatro aho. Taitra aho nahita ny fomba famalin’ny namako iray, ilay ramatoa nandamina ny fandehanana any amin’ireo toerana heverina fa masina, rehefa nolazaiko azy fa niara-nandinika ny Baiboly tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aho. Tezitra be izy ary niteny zava-dratsy maro be aoka izany momba azy ireo hany ka nilaozako teo izy. Avy eo dia voatery niatrika ny fanoheran’ny vadiko aho (Matio 10:36). Tamin’ny voalohany dia sarotra tamiko izany, kanefa arakaraka ny fampiharako ireo zavatra nianarako no nahatsara kokoa ny fiainam-pianakaviako. Natao batisa tamin’ny 1977 aho.

Tsapako fa tsy ho nahita ny lalan’ny fiainana mihitsy aho raha tsy nampiseho fiheverana ahy ny Vavolombelon’i Jehovah ka niezaka nanampy ahy hahafantatra ireo fahamarinana mahatalanjona ao amin’ny Baiboly. Fantatro fa nanana andraikitra koa aho hanao izay rehetra azoko atao mba hanampiana ny hafa hahafantatra an’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona ny amin’ny hoavy. Amin’ny fomba ahoana no hahafahako hanao izany? Ny fomba tsara indrindra dia ny filatsahana ho amin’ny asa manontolo andro. Koa satria aho niaina tao amin’ny tokantrano voazarazara ara-pivavahana, dia tsy mora tamiko izany. Kanefa natoky ny fanohanan’i Jehovah sy ny fitarihany aho ary nitady fialofana tao aminy. Ankehitriny aho dia miaina ireo taona sambatra indrindra eo amin’ny fiainako amin’ny maha-mpitory maharitra mandavantaona aho. Mino mafy kokoa tsy mbola nisy toy izany aho fa “tsara Jehovah” ary “sambatra izay olona mialoka aminy”. — Salamo 34:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara