FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 32
  • Voalamina mba hanompo an’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Voalamina mba hanompo an’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 32

Voalamina mba hanompo an’Andriamanitra

“Nifampikasoka tamin’ny fivavahana sy antokom-pivavahana maro aho,” hoy ny nosoratan’ny lehilahy iray any Meksika. “Nefa dia mbola tsy nahita fandaminana toy izany mihitsy aho.” Vao avy namaky ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany io lehilahy io. Hoy ny fanazavany: “Ny nanaitra ahy indrindra, dia ny fitandremana entinareo manatanteraka ny fanirahana hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana isan-trano, any am-piasana, eny amin’ny arabe, ary any anaty fiarambahoaka. Tena mahatalanjona ny mahita olona izay miezaka manao ny sitrapon’Andriamanitra amim-pitandremana amin’izao taonan’ny fiatsarambelatsihy ara-pivavahana miely aoka izany izao.”

Ianaro izay inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny fomba fandaminana azy ireo, ary ny fomba fiasan’ny fandaminany maneran-tany. Mandefasa 120 ariary monja mba hahazoana ireo bokikely 32 pejy telo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany, Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny taonjato faharoapolo, ary Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana ny zavatra, ireo bokikely telo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Tafaray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra maneran-tany, Ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny taonjato faharoapolo, ary Ny sekoly sy ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 120 ariary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara