FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/2 p. 30-31
  • Tsy afaka manakana ny vaovao tsara ny tabatabam-bahoaka

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy afaka manakana ny vaovao tsara ny tabatabam-bahoaka
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/2 p. 30-31

Tsy afaka manakana ny vaovao tsara ny tabatabam-bahoaka

INDRAY andro, tamin’ny volana febroary 1989, dia nampahafantarina ny fepetra ara-toe-karena vaovao noraisin’i Venezuela izay nandrasana hatramin’ny ela. Niakatra maherin’ny 100% ny vidin’ny foto-tsakafo toy ny ronono, ny lafarinina, ary ny mofo. Nitombo 90% ny vidin-dasantsy. Nomen-dalana hampiakatra ny saram-pitaterana hatramin’ny 30% ny fitateram-bahoaka. Very hevitra ny vahoaka. Tsitapitapitr’izay, ny alatsinainy 27 febroary, dia nihetsika ny vahoaka tamin’ny alalan’ny tabataba nanerana ilay tany.

Nitombo hatrany ny fanimbana sy ny fandrobana ny ampitso marainan’iny. Nanakoako tany amin’ny toerana maro ny poa-basy. Nisafoaka teny amin’ny arabe na antitra na tanora, namela tao ivohony soritry ny fandravaravana mitovy amin’izay hita eny amin’ny toeram-piadiana mahatsiravina.

Nanambara ny fampiharana ireo fepetra fanao amin’ny tany misy hotakotaka ny filoham-pirenena iny tolakandro iny ary naato nandritra ny folo andro ireo antoky ny lalàm-panorenana. Namoaka didy ny amin’ny famerana ny ora tsy azo ivoahana eo anelanelan’ny 6 ora hariva ka hatramin’ny 6 ora maraina izy. Nambaran’ny minisitry ny Fiarovana, ny andro nanaraka, fa hitohy hanan-kery ny tsy fahafahana mivezivezy amin’ny alina mandra-pisin’ny baiko vaovao. Nampihatra ny fahefany ny miaramila mba hifehezana ny fivezivezena eny amin’ny arabe, sy hitsofohana an-tranon’olona tsy misy fahazoan-dalana ary mba hisamborana na hikarohana olona. Nambaran’ny gazety iray fa “roanjato no maty ary arivo no naratra tao anatin’ny telo andro nisian’ny fikorontanana”.

Nanao ahoana ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra io fahasahiranana io? Nomena torohevitra ireo rahalahy: Aoka ianareo ho malina ary halaviro ny faritra misy korontana. Ampifanaraho amin’ny ora hahazoana mivezivezy amin’ny alina ny fotoam-pivoriana, ary halaviro ny mitory miaraka betsaka. Na dia izany aza, dia nandroso hatrany ihany ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Matio 24:14; 28:19, 20.

Noraran’ny vadiny tsy mpino tsy hivoaka ny trano ny vehivavy kristiana iray noho ny fanahiany ny aminy raha mivoaka hitory izy. “Tsy takatrao fa manana andraikitra hotanterahina aho,” hoy ny nambarany taminy. “Noho izany, dia avia àry! Hianatra Baiboly miaraka aminao aho!”

Vao voalohany izay, tao anatin’ireo 22 taona naha-Vavolombelon’i Jehovah an’io vehivavy io, no nanehoan’ny vadiny fahavononana hianatra ny Baiboly. Kanefa dia nampitandrina izy hoe: “Eny àry, raha mbola mampanantena fa tsy hivoaka ianao. Nefa aza manontany ahy mihitsy, fa vakio amiko fotsiny.” Na dia izany aza, dia niara-nianatra taminy nandritra ny adiny iray sy sasany ilay anabavy. “Fampianarana fakan-tahaka ilay izy, ny fampianarana tsara indrindra nataoko tao anatin’ireo 22 taona naha-tao amin’ny fahamarinana ahy,” hoy izy latsa-dranomaso.

Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia teo am-pamafana ny sisin-dalana eo anoloan’ny tranony ny anabavy mpitory maharitra mandavantaona iray rehefa nanatona azy ny ramatoa iray izay mazàna tsy nihaino ny Vavolombelona nitsidika azy tany an-tranony. “Tsy nahita anareo Vavolombelona nitory aho tato ho ato”, hoy ilay vehivavy. “Aza milaza amiko hoe tsy handeha hitory intsony ianareo!”

Nohazavain’ilay anabavy fa nitsahatra tsy nitory isan-trano izy ireo nandritra ny tabatabam-bahoaka fotsiny. “Nefa ho avy ny andro izay tsy hitorianay amin’ny olona intsony, ary hidika ho faran’izao tontolo izao izany,” hoy ilay anabavy. “Tokony hanararaotra ny fahafahana amin’izao fotoana izao ianao, ary hanaiky ny fianarana Baiboly any an-tokantranonao.”

“Rahoviana isika no afaka hifanao fotoana?” hoy ny fanontaniana faingana nataon’ilay ramatoa. Teo no ho eo ihany dia natao ny fandaminana mba hanombohana fianarana Baiboly any an-tokantrano.

Soa ihany fa nitsahatra ny fikorontanana, ka namela ny raharahan’ilay tany hiverina amin’ny laoniny. Kanefa ao anatin’ny toe-javatra henjana toy izany, dia mampahery ny mahafantatra fa, ho tonga tsy ho ela ny tontolo vaovao hanjakan’ny filaminana sy ny tsy fananana ahiahy. Izao no fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra: “Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.” (2 Petera 3:13). Ary raha mbola avelan’Andriamanitra koa izy ireo, dia hitory hatrany ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 31]

Tsy nampiato ireo mpitory ny Fanjakana ny fikorontanana.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary avy nalain’ny Publicaciones Capriles, Caracas, Venezuela

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara