La Révélation — le grand dénouement est proche!
“Io boky io [hita eo ambony ny anarany] dia mampiseho amin’ny fomba mahatalanjona ny fitiavana sy ny fiheverana lalina asehon’Andriamanitra amin’ny mpanompony rehetra, hoy ny nosoratan’ny mpamaky mafana fo iray monina ao amin’ny fanjakan’i Washington. Manatanjaka ny finoana ny famakiana azy amim-pitiavana.”
Nanampy teny toy izao io mpamaky liana io: “Aseho amin’ny fomba miavaka ny toko tsirairay avy. Ankasitrahako ny nanoratana amin’ny sora-matevina ireo andininy voaboasana sy ny fahitana sary mbamin’ny tabilao kanto ao amin’io boky io. Tsy ampy ny teny hoenti-milazalaza izay tsapako rehefa namaky an’io boky io aho. Imbetsaka no tsy tanako ny ranomasoko.”
Azonay antoka fa hanaitra ny sainareo koa ny fampahafantarana mazava sy mifandrindra ny biby dia, ny dragona sy ilay vehivavy janga lehibe. Ho hitanareo koa ny hoe mampiseho inona ireo sary hafa ao amin’ny Fanambarana amin’izao androntsika izao. Io boky mifono baoritra mahavariana io, mitovy velarana amin’ity gazety ity, dia mampiseho famakafakana isan’andininy ny bokin’ny Fanambarana na Apokalypsy ao amin’ny Baiboly. Manafara amin’izany dieny izao. Halefa aminao tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy izy io, amin’ny fandraisana anjara kely 360 ariary.
Aza fady mba alefaso ho ahy ilay boky 320 pejy mitondra ny lohateny hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 360 ariary.