Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Tany Betania, tao amin’ny tranon’i Simona
NANDAO an’i Jeriko i Jesosy ka nitodi-doha ho any Betania. Naharitra saika indray andro maninjitra ny dia satria tsy maintsy nananika lalana mikitoantoana eo amin’ny 19 kilaometatra. 250 metatra eo ho eo ambanin’ny haavon’ny ranomasina no misy an’i Jeriko ary eo amin’ny 760 amboniny no misy an’i Betania. Tsaroantsika fa tany Betania no nipetraka i Lazarosy sy ny anabaviny. Telo kilaometatra miala avy eo Jerosalema, any amin’ny ilany atsinanan’ny tendrombohitra Oliva no misy io vohitra io.
Efa maro ny olona tonga tao Jerosalema hankalaza ny Paska. Tonga aloha be ny mpandeha mba hidio araka ny fombafomba. Angamba nahakasika faty izy na nanao zavatra hafa izay nahatonga azy haloto. Nanaraka ireo toromarika fidiovana àry izy mba hahafahany mankalaza ny Paska amin’ny fomba azo ekena. Raha mbola nivory teo amin’ny tempoly ireo olona tonga aloha ireo, dia maro no nanontany tena raha ho tonga amin’ny Paska i Jesosy na tsia.
Velona ny ady hevitra mikasika an’i Jesosy tao Jerosalema. Fanta-bahoaka ny fanirian’ireo filoha ara-pivavahana hisambotra mba hamonoana azy. Nanome izao baiko izao mihitsy aza izy ireo: Na iza na iza mahalala izay toeran’i Jesosy, dia tsy maintsy milaza aminy. Intelo izao, tamin’izao faramparany izao — tamin’ny andro firavoravoana amin’ny Tabernakely, tamin’ny andro firavoravoana amin’ny Fitokanana, ary avy eo dia tamin’ny fananganana an’i Lazarosy —, no nanandraman’ireo filoha ara-pivavahana ireo namono azy. Izany no nahatonga ny olona hanontany tena raha mbola hiseho indray i Jesosy. “Ahoana no hevitrareo? Hoy izy ireo nifanontany. Tsy mba ho tonga amin’ny andro firavoravoana va Izy?”
Tamin’izay fotoana izay, henemana talohan’ny Paska izay nifanitsy tamin’ny 14 Nisana araka ny fanisanandron’ny Jiosy, dia tonga tany Betania i Jesosy. Tonga tao ny zoma hariva izy, izany hoe tamin’ny fiandohan’ny 8 Nisana. Tsy ho afaka nanao io dia io izy ny asabotsy satria feran’ny lalàna jiosy ny dia mandritra ny sabata, izany hoe manomboka ny zoma maty masoandro ka hatramin’ny asabotsy maty masoandro. Tsy isalasalana fa nankany amin’i Lazarosy mba handany ny alin’ny zoma toy ilay nataony farany i Jesosy.
Nisy mponina hafa tao Betania nanasa an’i Jesosy sy ny mpianany ny asabotsy hariva. I Simona io lehilahy io, boka taloha izay angamba nositranin’i Jesosy fotoana fohy talohan’izay. Anisan’ireo niara-nipetraka hihinana tamin’i Jesosy i Lazarosy. I Marta izaỳ be raharaha mandrakariva, dia nandroso sakafo ho an’ireo nasaina. Mifanohitra amin’izany kosa, toy ny mahazatra, i Maria dia nihaino an’i Jesosy, nefa tamin’ity indray mitoraka ity, dia tamin’ny fomba nahatonga ady hevitra.
Nosokafany ny vatakely iray, tavoara alabastara kely nisy menaka manitra, “narda tena sarobidy” teo amin’ny atsasa-kilao. Zavatra tena sarobidy izany satria ny vidiny dia saika mifanitsy amin’ny karama mandritra ny herintaona! Rehefa nararak’i Maria tamin’ny loha sy ny tongotr’i Jesosy ilay menaka ka nofafany tamin’ny volony dia nameno ny trano ny fofona manitra.
Tezitra ireo mpianatra ka nanohitra nanao hoe: “Inona no anton’izao fandaniam-poana izao?” Nilaza toy izao i Jodasy: “Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?” Raha ny marina, dia tsy tena niahy ny mahantra izy fa, hatramin’ny fotoana kelikely izay, dia nangalatra tao anatin’ny fitoeram-bolan’ireo mpianatra izy.
Niaro an’i Maria i Jesosy. “Avelao izy, hoy ny fandidiany; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.”
Efa maherin’ny 24 ora izao ny naha-tao Betania an’i Jesosy, ary fantatry ny iray tanàna fa tao izy. Noho izany antony izany no nahatongavan’ny olona maro be tao amin’i Simona mba hijery an’i Jesosy, nefa tonga koa izy ireo mba hijery an’i Lazarosy. Tamin’izay dia nikaon-doha ny lohan’ny mpisorona hamono an’i Jesosy, ary ambonin’izany, i Lazarosy koa. Marina tokoa fa maro no nino an’i Jesosy satria hitany velona tokoa ilay natsangany tamin’ny maty! Endrey izany haratsiam-panahin’ireo filoha ara-pivavahana ireo! Jaona 11:55 ka hatramin’ny 12:11; Matio 26:6-13; Marka 14:3-9; Asan’ny apostoly 1:12.
◆ Oviana Jesosy no tonga tao Betania, ary azo inoana fa taiza izy no nandany ny sabata?
◆ Inona no resaka natao tao amin’ny tempoly, ary nahoana?
◆ Fihetsik’i Maria inona no nahatonga ady hevitra, ary inona no nolazain’i Jesosy mba hiarovana io vehivavy io?
◆ Inona no mampiseho tsara ny haratsiam-panahin’ireo lohan’ny mpisorona?