“Hitako tao ilay Andriamanitra notadiaviko”
Taiza moa? Inona moa no niresahan’ilay nanonona ireo teny ireo?
Naharay fanomezana iray ny mpampianatra arkeolojia tany amin’ny oniversite efa misotro ronono iray izay mipetraka any Espaina. Ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? izany. Tatỳ aoriana, raha nandeha nitsidika azy ilay olona nanome azy io boky io tamin’ny fandalovany tany Espaina, dia hoy io mpampianatra tany amin’ny oniversite io taminy: “Izao tokoa, ry Edwin, misaotra anao aho noho ny nandefasanao io boky io tatỳ amiko. Efa novakiko ilay izy, ary avy eo dia nomeko zatovolahy espaniola iray.”
Nampiasa zavatra mahadomelina io zatovolahy espaniola iray; be volom-bava sady lava volo izy io. Kanefa, rehefa nahazo io boky io izy, dia nanisy fiovana lehibe dia lehibe teo amin’ny fiainany. Naratany ny volom-bavany, notapahiny ny volony ary nitsahatra tsy nampiasa zavatra mahadomelina izy. Tsy andrin’i Edwin izay hahitana azy raha nahare ny amin’izany fiovana izany izy.
Raha nifankahita izy ireo, ka fantatr’ilay tovolahy hoe avy taiza ilay boky, dia niantsambotra teny am-bozon’i Edwin izy ary nilaza taminy hoe: “Dimy taona izay no nitadiavako an’Andriamanitra, ary raha vao nanokatra io boky io aho dia hitako tao ilay Andriamanitra notadiaviko.” Nanao fandrosoana io zatovolahy io hany ka lasa niresaka ny amin’ny finoany vaovao tamin’ny hafa izy.
Heverinay fa afaka ny hitondra soa ho anao koa io boky io izay nanosika olona maro hanao fiovana mahasoa teo amin’ny fiainany. Mba hahazoanao anankiray amin’io boky feno fanazavana io, dia ampy ny hamenoanao sy hamerenanao ny tapakila etsy ambany miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 360 ariary.
Aza fady mba alefaso ho ahy tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisako azy, ny boky mifono baoritra 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? Indro alefako miaraka amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 360 ariary.