Toe-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy maharikoriko — Fahiny sy ankehitriny
HATRAIZA no naha-ratsy dia ratsy ny fanompoam-pivavahana tamin’i Moloka, andriamanitra moabita? Nanoratra tao amin’ny bokiny hoe Ny maha-lahy sy maha-vavy eo amin’ny olombelona (angl.) i Paolo Mantegazza fa ireo Moabita tamin’ny andron’ny Baiboly dia nanao firaisana feno fahavetavetana “miaraka, eo am-pandihizana nanodidina ny sary vongan’i Moloka nivaivay. Talohan’izany dia nitelina ny fanatitr’ireo mpivavaka taminy ny vava halimo fiton’ilay andriamanitra, fanatitra izay voaforon’ny koba, domoina, zanak’ondry, ondrilahy, zanak’omby, vantotr’ombilahy ary ankizy lahy”. Manampy toy izao ilay mpanoratra: “Na iza na iza namaky ny Baiboly dia azo antoka fa mahatsiaro ireo fanozonana mahatsiravina izay notononin’i Mosesy tamin’ireo Hebreo nijangajanga tamin’i Moloka. Noraisin’ireo Jiosy tamin-kafanam-po nirehidrehitra koa i Bala Fegora na Belafegora [Bala-peora], ilay andriamanitra nankafizin’ny Midianita indrindra, ka ny fanompoam-pivavahana taminy dia feno fahavetavetana tsy latsa-danja noho ireo fanao nentina nankalaza an’i Moloka.” — Levitikosy 18:21, Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana anglisy misy fakàn-teny tamin’ny 1984, fanamarihana ambany pejy; 20:2-5; Nomery 25:1-5; Jeremia 32:35.
Ny “hafanam-po nirehidrehitra” nananan’ireo Jiosy ireo dia mahita ny mifanitsy aminy ankehitriny ao amin’ny “fitsipi-pitondrantena vaovao” izay nipoitra tamin’ireo taona 60, indrindra tany Etazonia sy tao amin’ny tany hafa milaza tena ho kristiana.
Teo ambanin’ny lohateny hoe “Aoka isika hiresaka amim-pahatsorana” ao amin’ny Medical World News, gazety ara-tsiansa navoaka tany Houston (Etazonia), i Alexandra sy i Vernon Mark, niara-nanoratra ilay boky hoe The Pied Pipers of Sex, dia nilazalaza ny vokatr’io revôlisiôna teo amin’ny lahy sy ny vavy io atỳ aoriana. Izao no nosoratany tamin’ny 1985:
“Nahitana fikorontanan’ny toe-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy nandritra ireo 25 taona farany. (...) Naka ny anarana hoe revôlisiôna eo amin’ny lahy sy ny vavy io firodanan’ny fitsipi-pitondrantena nahazatra io.” Rehefa avy nanondro ireo manam-pahaizana amin’ny fitsaboana izay niavian’io fiovam-pihetsika mikasika ny lahy sy ny vavy io ireo mpanoratra, dia nanohy hoe: “Ankoatra ny fandraisan’ny tenany manokana anjara, dia nampihatra hery mahatalanjona teo amin’ny fitambaran’olona sy teo amin’ireo zavatra naoriny rehetra [ny fitambaran’ireo mpitsabo]. Tsy misy tokony hahatsiaro tena ho manan-trosa haloa amin’ireny mpitondra fiovana eo amin’ny raharaha momba ny lahy sy ny vavy ireny, fa tokony hanohitra kosa ny fitaomany amin’ny famporisihana ny olona hanana fomba fijery madio sy voalanjalanja eo amin’ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy ary eo amin’ny fitandroana ny fahasalamam-bahoaka.
“Ny tsy fisian’ny famatopatorana amin’ny revôlisiôna eo amin’ny lahy sy ny vavy dia tsy nitondra soa azo tsapaina foana ho an’ny fitambaran’ilay tany — raha tsy hoe tsy mijery afa-tsy ny lafiny ara-bola amin’ilay raharaha angaha. Mifanohitra amin’izany fa, tamin’ny fanehoany ny amin’ny lahy sy ny vavy ho toy ny fialam-boly, toy ny fanatanjahan-tena manintona mpijery, dia nitondra izao karazan-java-manahirana rehetra izao izy, indrindra ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana izay mandrahona hitondra fikorontanana lehibe ara-tsôsialy. Tsy vaovao akory ny MST (Areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana), fa ankehitriny dia nanjary tena areti-mandringana izany. Mipoitra ny fototra bakteria hafakely vaovao sy anona manana endrika viriosy. Ny “herpès génital” izay tsy azo sitranina eo amin’ny olon-dehibe, dia mamono ireo zaza vao teraka voan’ny “méningoencéphalite”. Ny SIDA (...) dia tafiditra lalina ao amin’ny fitambaran’olona misy antsika sy ao anatin’ny lalandran’ireo niharam-pahavoazana tsy manan-tsiny izay nampidirana ra avy amin’ny mpanome misy aretina.”
Namarana toy izao ireo mpanoratra ireo: “Ny fitambaran’ny fiampangana mitambesatra amin’ireo mpanohana ny revôlisiôna eo amin’ny lahy sy ny vavy dia mampivarahontsana. Nampanantena fifaliana sy fanafahana ary fahasalamana izy ireo. Loza, aretina ary fahafatesana mihitsy aza no nentiny.” Lazain’ny Baiboly mazava tsara izay miandry azy. Izao, ohatra, no azo vakina ao amin’ny 1 Korintiana 6:9, 10: “Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.” — Jereo koa Joda 7.