‘Toromarika ara-pitondrantena tena lehibe’
Ny zazavavy iray 14 taona monina any Nigéria, atsy Afrika andrefana, dia velom-pankasitrahana nandray toromarika toy izany noho ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Izao no nosoratany:
“Sangan’asa anisan’ny mahasoa sy marina indrindra io boky io. Azo antoka fa ho fanampiana lehibe tokoa izy io ho an’izay rehetra vonona ny hanaiky hotarihina eo amin’izao tontolo izao hafahafa sy simba.
“Nasehoko an’ireo namako sy mpiara-monina amiko izany. Izay rehetra mamaky izany dia midera noho ireo sary ataonareo ahitana fianarana indrindra sy noho ireo foto-kevitra velabelarina. Heverinay fa ireo zava-nitranga aseho ao amin’io boky io dia mety hanazava ny mpamaky, hanome fahendrena azy ireo sy hanoro azy ireo ny fitsipi-pitondrantena madio. Heverinay koa fa azon’izy ireny atao ny manome toromarika mahasoa ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe izay maniry fatratra fiadanan-tsaina feno sy tena fahasalamana, izay maniry haneho fifehezan-tena sy hifikitra mafy hatrany amin’izay mahitsy. (...)
“Ambonin’izany rehetra izany, dia feno tokoa io boky io. Feno torohevitra tena lehibe momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy izay sarotra indraindray ny mahazo azy eo amin’ny ray aman-dreny na ny mpampianatra (...). Tena ho tiako ny handinihana io boky io isan’andro any amin’ireo sekoly, mba hahafahan’ny tanora manana fiainana milamina, voamariky ny fitiavana lehibe kokoa, mahavokatra kokoa sy tena misy heviny.”
Ireto ny sasantsasany amin’ireo fanontaniana velabelarina ao amin’ny boky Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti: Nahoana no mianatra any an-tsekoly? Ahoana no fiheveranao ny ray aman-dreninao? Moa ve tsara ny manana firaisan’ny lahy sy ny vavy alohan’ny fanambadiana? ny misotro zavatra misy alkaola? Mba hahazoana anankiray amin’io boky io, dia ampy ny mameno sy mamerina ny tapakila eto ambany miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary monja.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ilay boky mifono baoritra 192 pejy mitondra ny lohateny hoe Votre jeunesse — Comment en tirer le meilleur parti. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 60 ariary (300 FMG).