Ny antony ilànao hahafantatra ny fahamarinana momba an’i Abrahama
ABRAHAMA: olo-malazan’ny angano sa mpaminany marina? Zava-dehibe ve io fanontaniana io? Koa satria araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly, dia velona tany amin’ny 4 000 taona lasa izay i Abrahama, dia mety hisy hiteny anakampo fa tsy dia ilaina loatra ny hahafantarana raha tena nisy izy na tsia.
Aoka hieritreritra anefa isika: ny antsasaky ny mponina maneran-tany dia anisan’ny fivavahana iray izay milaza ho mino an’i Abrahama. Araka ny Firaketana britanika, Bokin’ny Taona 1988, tokoa, dia 32,9% amin’ny olombelona no manaraka ny fivavahana kristiana, 17,2% ny fivavahana miozilimana ary 0,4% ny fivavahana jiosy. Endrika lehibe tokoa hita ao amin’ireo fivavahana telo ireo anefa i Abrahama. Rariny àry ireo mpanaraka azy tso-po raha manao izay hahafantarana fa tena ny fahamarinana momba an’i Abrahama tokoa no nampianarina azy ireo. Io fanontaniana io tokoa dia tokony hahaliana na dia ireo mpanaraka fivavahana hafa aza na ireo olona tsy manaiky fivavahana na inona na inona. Nahoana?
Satria milaza ny Baiboly fa mpaminany i Abrahama (Genesisy 20:7). Ao amin’ny Soratra masina, io teny io dia manondro mpitondra tenin’Andriamanitra mitondra hafatra ho an’ny mpiara-belona aminy. Raha mpaminany marina anefa Abrahama, ny olona rehetra dia manana fahafahana handray soa avy amin’izany, satria ny hafatra noraisiny dia nirakitra vaovao tsara ho an’ny olombelona amin’ny fitambarany (Galatiana 3:8). Tantarain’ny Baiboly tokoa fa nanome izao fampanantenana izao an’i Abrahama ny Baiboly: “Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.” — Genesisy 12:3.
Fampanantenana hafa dia hafa izany, ary indroa fara fahakeliny no namerenan’Andriamanitra izany tamin’i Abrahama tamin’ny fotoana hafa (Genesisy 18:18; 22:18). Mba hahatanterahan’io faminaniana io dia hisy solontenan’ireo fianakaviana efa maty hatsangan’ilay Andriamanitr’i Abrahama mihitsy aza. Ho fitahiana ho an’ireo hatsangana amin’ny maty tokoa ny fiainana, satria ny ankamaroany hiverina ao amin’ny tany izay ny toe-piainana ao aminy dia hampahatsiahy ny nanjaka tany amin’ny Paradisa voalohany narian’ny olombelona. Manaraka izany, dia hianatra ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay izy ireo. — Genesisy 2:8, 9, 15-17; 3:17-23.
Raha olon’ny angano fotsiny anefa i Abrahama, dia tsy misy antony mihitsy tokony hinoana ny fampanantenana kanto ho natao taminy. Ambonin’izany, raha tsy azo atao ny matoky ireo fampanantenan’ny Baiboly, dia mety hanantitrantitra ny sasany fa ara-dalàna ny hanaranam-po tsy misy fifehezan-tena amin’ireo fahafinaretana eo amin’ny fiainana ankehitriny. Araka ny nosoratan’ny anankiray tamin’ireo kristiana voalohany, “Raha tsy hatsangana ny maty, dia ‘aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty’ ”. — 1 Korintiana 15:32.
Rariny tokoa àry ny handinihantsika ny raharaha ny amin’ny hahafantarana raha olo-malazan’ny angano fotsiny i Abrahama na mpaminany marina. Ho gaga angamba ianao hahafantatra izay nolazain’ny mpitondra fivavahana malaza sasany momba izany tamin’ny taonjato faha-19, raha mbola nisy fahitan-javatra araka ny arkeolojia nahaliana nanohitra ny filazan’izy ireny.