Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve Jehovah mampiasa fitaka na fanambakana, na dia amin’ireo mpanompony aza, araka ny toa asehon’ny Jeremia 4:10 sy ny Jer 20:7?
Tsia, tsy manao zavatra amin’ny fomba an-kolaka na feno hafetsen-dratsy ny Mpamorona. Na dia izany aza, izy dia manana fahafahana ny hanatanteraka ny sitrapony marina — ary mampiasa izany izy — na dia tsy araka izay antenain’ny olona aza izany.
Ahitana ohatra ny amin’izany ao amin’ny Jeremia 4:10 izay ilazan’ilay mpaminany hoe: “Indrisy, Jehovah Tompo ô! Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo; kanjo mihatra amin’ny aina ny sabatra.”
Nampiasa an’i Jeremia i Jehovah mba hanambara ny loza izay hanjo an’ilay firenena nivadika izay tokony ho nanompo azy (Jeremia 1:10, 15-19; 4:5-8; 5:20-30). Nisy olon-kafa koa anefa nilaza tena ho mpaminany (Jeremia 4:9). Inona no nambaran’izy ireo tamin’ny vahoaka? Mamaly toy izao Andriamanitra: “Ny mpaminany maminany lainga (...) ary ny oloko mankasitraka izany.” — Jeremia 5:31; 20:6.
Na dia tsy naniraka ireny mpaminany sandoka ireny aza i Jehovah, dia tsy nanakana azy tsy hampiely hafatra toy izao kosa: “Hahita fiadanana hianareo”, sy ny hoe: “Tsy hisy loza hanjo anareo.” (Jeremia 23:16, 17, 25-28, 32). Tokony hisafidy àry ny vahoaka: na hanaiky ireo faminaniana mafy nefa marina nambaran’i Jeremia, na hanaiky ho voafitaky ny mpaminany sandoka, mpisoloky toa an-dry Hanania sy ry Semaia (Jeremia 28:1-4, 11; 29:30-32). Koa satria Andriamanitra tsy nanao izay hampanginana ireny mpaminany namitaka ny vahoaka ireny, dia ho azo atao ny nilaza taminy hoe: “Efa nofitahinao tokoa ity firenena ity sy Jerosalema tamin’ny nanaovanao hoe: Hisy fiadanana ho anareo.”
Raha ny amin’i Jeremia, izy dia voafitaka tamin’ny heviny hafa. Nilaza izy hoe: “Jehovah ô, notaominao [nambakainao, MN ] aho ka voataona [voambaka, MN ]; nosamborinao aho ka resinao; tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; izy rehetra dia maneso ahy.” — Jeremia 20:7.
Pasora, mpisorona ambony iray, dia namely an’i Jeremia teo imasom-bahoaka sady namatotra azy tamin’ny boloky hazo. Amin’ny maha-olombelona, dia nihevitra angamba ilay mpaminany fa tonga teo amin’ny fetran’ny nety ho vitany izy, ka tsy hanana hery intsony mba haharetana amin’ny asany eo anoloan’ny tsy firaikana sy ny fankahalana, ny fanarabiana ary ny herisetra. Tsy izany velively anefa no nitranga fa nampiasa ny heriny i Jehovah ka izany dia nifanohitra tanteraka tamin’ny fironana amin’ny maha-olombelona nananan’i Jeremia. Nanambaka azy izy amin’ny heviny hoe nampiasa azy, lehilahy tsy tanteraka, mba hanatanteraka asa izay tsy ho vitan’ilay mpaminany amin’ny herin’ny tenany. Na dia nahagaga an’i Jeremia aza izany, na nahatonga azy hahatsiaro tena ho voambaka, dia tsara ny fiafaran-javatra: naetry ireo mpanenjika azy, ary nambara ny hafatr’Andriamanitra. — Jeremia 20:11.
Araka izany, rehefa jerena amin’ny fanazavan’ny teny manodidina, ny Jeremia 4:10 sy ny Jer 20:7 dia mifanaraka amin’ireto tenin’i Eliho ireto: “Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.” — Joba 34:12.