Tongava soa amin’ireo fivoriamben’ny distrika “Ny fitiavam-pivavahana”
“NY FITIAVAM-PIVAVAHANA.” Izany ka foto-kevitra tena tsara ho an’ireo fivoriamben’ny distrika amin’ity taona ity! Ary toy inona moa ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy ho antsika raha ny amin’ny fitiavam-pivavahana? Tsy mahagaga raha nanoratra ny aminy toy izao ny apostoly Paoly teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra [fitiavam-pivavahana, MN ], dia Ilay naseho teo amin’ny nofo, nohamarinina tao amin’ny fanahy; hitan’ny anjely, notorina tany amin’ny jentilisa, ninoana teny amin’izao tontolo izao, nakarina tamin’ny voninahitra.” — 1 Timoty 3:16.
Hanatanjaka sy hanampy antsika haneho ny tena fitiavam-pivavahana, toa an’i Jesosy, ireo fivoriamben’ny distrikantsika. Izany no antony tokony hitandremantsika mba tsy hisy na inona na inona hanakana antsika tsy handray soa avy amin’io fanasana ara-panahy io. Aoka isika mba ho tafapetraka eo amin’ny toerantsika, ny zoma maraina manomboka amin’ny 10 ora sy 20 minitra, mba hankamamy ny feon-kira izay halefa ka amin’izany dia hanana ny toe-tsaina ilaina mba handraisana soa feno avy amin’ny fandaharana izay hanaraka izany. Ny foto-kevitra nofidina ho amin’ny andro voalohany, “Ny fomba fanompoana Andriamanitra iray izay mitaky firaiketam-po tsy mizarazara”, dia notsoahina avy ao amin’ny Eksodosy 20:5. Tena hifanaraka amin’ny toe-javatra tokoa ny lahatenin’ny prezidà. Izy io dia hitondra ny lohateny hoe “Tonga soa ianareo izay maneho fitiavam-pivavahana”. Mandritra io andro io ihany, dia hisy lahateny hafa mampandroso izay haneho amintsika ny antony hitakian’i Jehovah ny hanehoantsika fitiavam-pivavahana sy ny antony tokony hianarantsika ny zava-miafina masina momba an’io fitiavam-pivavahana io. Hisy fanazavana mahavariana homena antsika koa mikasika ny maha-izy an’ilay Andriamanitra marina sy ny fahamarinan’ny Teniny.
Ny foto-kevitry ny asabotsy manao hoe “Misy tombony lehibe tokoa ny fitiavam-pivavahana”, dia miorina amin’ny 1 Timoty 6:6 [MN ]. Ny maraina, dia hohazavaina amintsika izay tena tokony hataontsika mba hambolena ny fitiavam-pivavahana. Ary tsy isalasalana fa hisy lahateny momba ny batisa ho an’ireo izay vonona hilatsaka mba hiaina mifanaraka amin’ny fitiavam-pivavahana mandrakizay. Ny asabotsy tolakandro, dia hosoritana ny maha-zava-dehibe ny fahatokiana amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, avy eo dia hianarantsika ny fomba fanatanterahana asa mampiseho fitiavam-pivavahana ao amin’ny faritry ny fianakaviana. Noho ireo zava-manahirana manafika ny tanora kristiana, dia hisy hafatra manokana hatokana ho azy ireo.
“Aoka isika handa ny tsy fitiavam-pivavahana, ary ho velona amin’ny fitiavam-pivavahana.” Io famporisihana notsoahina avy ao amin’ny Titosy 2:12 io no hahaforona ny foto-kevitry ny alahady. Ny maraina, dia hahazo fampitandremana mikasika “ilay lehilahin’ota” sy ny mety hahadiso lalana noho ny fihinanana sy fisotroana, ny fitafiana ary ny fialamboly isika (2 Tesaloniana 2:3). Hanaraka izany ny fampisehoana tantara araka ny toetr’andro iray izay hampisongadina ny maha-zava-dehibe ny hanekena an’Andriamanitra. Ny lahateny ampahibemaso hatao ny tolakandro dia hanazava fa akaiky ny fanavotana an’ireo izay maneho fitiavam-pivavahana. Moa tsy vaovao tsara va izany? Hifarana amin’ny dinidinika mifantoka amin’ny foto-kevitra manao hoe “Ilaina ny fitiavam-pivavahana: aoka isika hamboly izany tsy tapaka” ny fanasana ara-panahintsika.
Tongava àry amin’ny fivoriambe, vonona ny hanaraka ao amin’ny Baibolinao ireo andinin-teny tononin’ny mpandahateny sy handray an-tsoratra ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny. Ny fandraisana an-tsoratra dia hanampy antsika lehibe tokoa mba hampifantoka ny saintsika sy handray soa amin’izay rentsika. Aoka isika tsy hanadino fa ilaina ny asa be mba hampizotra tsara ny fivoriambe, ka arakaraka ny hisian’ny mpiasa an-tsitrapo maro no hahamaivana ny andraikitry ny tsirairay. Amin’ny fanolorana ny fanampiantsika dia ho tsapantsika ny fahasambarana tsy manam-paharoa azo rehefa manome. — Asa. 20:35.
Enga anie ny fitiavam-pivavahana ananantsika hanosika antsika hanatrika an’io fivoriambe io ka handray soa faran’izay betsaka avy amin’izany! Rehefa handao izany isika dia hatanjaka sy ho tapa-kevitra ny haneho tsy hisy toy izany eo amin’ny fiainantsika ny fitiavam-pivavahana.