FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/7 p. 18-19
  • Fanapahan-kevitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanapahan-kevitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mitovitovy Aminy
  • Babylona Lehibe — Ny fiampangana azy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Vaovao Mahafaly” avy ao Amin’ny Apokalypsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Fanafahana Amin’ny Fotoan’ny Fampiharihariana An’i Jesosy Kristy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ianao sy ny Apokalypsy
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/7 p. 18-19

Fanapahan-kevitra

Tsy isalasalana fa hihoatra noho ny tamin’ny taona teo aloha ny isan’ny mpanatrika ny fivoriambe “Ny fahamarinan’Andriamanitra”. Tamin’io taona io, dia olona 6 443 597 no tafavory tao amin’ny toerana 1 098 niely patrana naneran-tany ary 93 822 no natao batisa. Taorian’ilay lahateny hoe “Ilay ‘vehivavy janga’ ratsy” natao tamin’ny fivoriambe “Ny fahamarinan’Andriamanitra” rehetra, dia nambara ny famoahana amin’ny fiteny 20 mahery ny boky iray 320 pejy, mifono baoritra sy misy sary mahafinaritra, La Révélation: le grand dénouement est proche!. Hoy ny mpandaha-teny tamin’ny mpihaino: “Aza hadinoina ny mampiasa io boky vaovao io ao anatin’ny faritry ny fianaranao manokana sy ireo fivorian’ny kongregasiona. Ampiasao koa izy io mba hanambarana amin’izao tontolo izao fa voaheloka Babylona Lehibe, fa madiva ho ringana amin’ny Haramagedona ireo firenena ary hanatrika ny tena farany araka ny Apokalypsy isika rehefa hanapaka ny tany ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy sy ny ampakariny. Ho faly ianao hahita maso izany zavatra izany, ‘satria antomotra ny andro voafetra’! — Apokalypsy 1:3, MN.

Isika izay velona nanomboka tamin’ny 1914 ‘amin’ny Andron’ny Tompo’ sy amin’ny fotoam-pitsaran’Andriamanitra, dia faly isika manana ny lehibe indrindra amin’ny tombontsoa rehetra, dia ny hanompo an’i Jehovah Mpanjaka Tompo eo ambany fitarihan’ilay notendreny ho Mpanjakan’ny mpanjaka, dia Jesosy Kristy (Apokalypsy 1:10). Amin’ny maha-VAVOLOMBELON’I JEHOVAH dia manambara toy izao isika:

1) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny fanalan’i Babylona Lehibe amin’ny ankapobeny, ary indrindra fa ny fivavahana lazaina fa kristiana, baraka ny anaran’ilay hany Andriamanitra marina sady velona, dia Jehovah. Isika kosa dia mandray ny teny voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 4:11, ka MANANTITRANTITRA tsy misy fepetra hoe: “Hianao, Tomponay [Jehovah, MN ] sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery.”

2) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny fifikiran’ny fivavahana lazaina fa kristiana amin’ireo fampianarana nanam-piandohana babyloniana, indrindra fa ny amin’ny andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona, ny fampijaliana mandrakizay ao amin’ny afobe, ny afo fandiovana, ary ny fivavahana amin’ny sary, toy ny an’i Maria sy ny lakroa. Mifanaraka amin’ny Apokalypsy 22:18, 19, dia MIFIKITRA MAFY amin’ny Tenin’Andriamanitra voasoratra sy amin’ny raketiny manontolo isika.

3) MAHARIKORIKO ANTSIKA ireo filozofia sy fanao mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra fahita aoka izany eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, toy ny evaolisiona, ny fampidiran-dra, ny fanalana zaza, ny lainga, ny fieremana sy ny tsy fanaovana ny marina. Amin’ny fanompoam-pivavahantsika sy ny fomba fiainantsika, dia TIANTSIKA NY HANOME VONINAHITRA ny Mpamorona antsika, dia Jehovah Andriamanitra Tsitoha, izay ny lalany dia lazaina fa “mahitsy sy marina” ao amin’ny Apokalypsy 15:3.

4) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny tsy fetezan’ny fivavahana lazaina fa kristiana hihevitra ny hafatra nalefan’i Jesosy ho an’ireo kongregasiona fito ao amin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3, hafatra manameloka, ankoatra ny zavatra hafa, ny fitokotokoana, ny fanompoan-tsampy, ny fijangajangana, ny fitaoman’i Jezebela, ny toetra matimaty ary ny tsy fahampian’ny fitandremana. Isika kosa dia MANIRY HIHAINO SY HANKATÒ izay “lazain’ny fanahy amin’ireo kongregasiona”.

5) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny fahalotoam-pitondrantena sy ny fileferana loatra manjaka eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana sy ny klerjiny, ary ankasitrahantsika ny fitsarana tsy misy fihambahambana ataon’i Jehovah voalaza ao amin’ny Apokalypsy 21:8, dia fitsarana manambara fa fandringanana tanteraka no miandry ireo izay mikiry amin’ny fahalotoany, ireo mpijangajanga, ireo mpandainga sy mpanao ratsy hafa. TOHANANTSIKA TSY MISY FEPETRA ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ao amin’ny Baiboly momba ny lahy sy ny vavy, ny fanambadiana sy ny fiainam-pianakaviana.

6) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny fijangajangana ara-panahy arahin’ny klerjy ao amin’i Babylona Lehibe hatramin’ny taonjato maro amin’ny firaisan-tetika amin’ireo mpitondra ara-politika noho ny fikendrena ny hahazo fahefana sy harena ary hampihatra fahefana amin-kalozana eo amin’ny vahoaka. TAPA-KEVITRA ISIKA NY HANAMPY ireo olona tso-po hanaraka ny fananaran’ny anjely voasoratra ao amin’ny Apokalypsy 18:4 manao hoe: “Mialà, aminy hianareo, ry oloko.”

7) MAHARIKORIKO ANTSIKA ny ra nandriaka tamin’ireo ady nifaoka ain’olona 100 tapitrisa tamin’izao taonjato faha-20 izao fotsiny, dia fandatsahan-dra avy amin’ny fijangajangan’ilay vehivavy janga lehibe tamin’ireo fanjakana ara-politika indrindra. FALY isika mahafantatra fa akaiky ny fotoana voafetra hampiharan’Andriamanitra ny fanamelohany an’i Babylona Lehibe, amin’ny fomba voambara mazava ao amin’ny Apokalypsy 18:21-24.

Isika izay Vavolombelon’i Jehovah, dia HEVERINTSIKA HO FIFALIANA SY TOMBONTSOA ny manambara amin’izao tontolo izao fa tamin’ny 1914, “ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny”. (Apokalypsy 11:15.) TAPA-KEVITRA ISIKA ny hanohy tsy amin-tahotra hampahafantatra ny fanamelohan’i Jehovah an’i Babylona Lehibe ka hampiomana ny olona ny amin’ny fahantomoran’ny adin’Andriamanitra, Haramagedona. TAPA-KEVITRA ISIKA ny hanambara amin’ny feo avo “amin’ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra” ny vaovao tsara hoe hisy “lanitra vaovao sy tany vaovao” hitondra soa tsy ho ela ho an’ny olombelona mankatò (Apokalypsy 14:6; 21:1). FALY ISIKA mahatsapa fa noho izany fanambarana izany dia vahoaka maherin’ny telo tapitrisa avy amin’ny firenena rehetra izao no tafaray amintsika maneran-tany. Miara-manambara toy izao amin’ilay anjely manidina eo afovoan’ny lanitra isika rehetra: “Matahora an’Andriamanitra, ka omeo voninahitra izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan’Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.” — Apokalypsy 14:7.

Fanontaniana ho an’ny fianarana ny “Fanapahan-kevitra”:

1. Ny amin’inona moa no ifalian’ny Vavolombelon’i Jehovah?

2. Amin’ny tsirairay avy amin’ireo hevitra fito amin’io Fanapahan-kevitra io, dia lazao a) izay maharikoriko ny Vavolombelon’i Jehovah ary b) inona no fanambarana ataon’izy ireo tsy amim-pisalasalana.

3. a) Inona moa no fifaliana sy tombontsoa ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Tapa-kevitra ny hanao inona izy ireo? d) tapa-kevitra ny hanao inona koa isika? e) Fifaliana inona no iarahany manana, ary mampiray ny feony amin’ny fanambarana hoe ahoana izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara