Tiany tanteraka ny hahafantatra azy
Nanoratra ho anay toy izao ny zazavavy iray 15 taona monina any Mobile (Etazonia): “Rehefa navoaka ilay boky hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!, dia niteny anakampo aho fa tsy maintsy hovakiko io na ho ela na ho haingana.
“Indray takariva, rehefa tsy nahita torimaso aho, dia namadibadika azy io mba hijerena ireo sary. Nahavariana ahy ny ao amin’ny pejy faha-75, 78 sy 86. Koa satria tsy azoko ny heviny, dia tiako tanteraka ny hahafantatra izany. Sarotra tamiko ny nanomboka namaky ilay boky tamin’ireo pejy ireo, satria raha izany dia tsy hisy heviny mihitsy ny vakiteniko. Novakiko àry ny toko voalohany tamin’io takariva io.
“Ny ampitso hariva, dia novakiko ny faharoa. Tsy afa-niala tamin’ny famakiako teny intsony aho, ka novakiko koa ny toko fahatelo.
“Io no boky mahaliana indrindra tamin’izay rehetra novakiko! Zatra ny mamaky toko iray fara fahakeliny isan-kariva aho izao. Nisy fotoana nanohizako ny famakiako teny hatramin’ny iray maraina (...)! Iriko ny hamakian’ny tanora rehetra an’io boky io.”
Mino mafy izahay fa hankamaminao tokoa izay ho hitanao ao amin’ny boky La Révélation: le grand dénouement est proche!. Mitovy velarana amin’ity gazety ity io boky mifono baoritra io ka ahitana famakafakana isan’andininy ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana ao amin’ny Baiboly ary manome fanazavana tsara ny amin’ireo famantarana sy fahitana maro. Manaova fanafarana dieny izao. Afaka mahazo izany tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy ianao amin’ny fandraisana anjara 1 800 FMG.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola eo am-pandraisana azy, ilay boky 320 pejy mitondra ny lohateny hoe La Révélation: le grand dénouement est proche!. Arotsako ny vola 1 800 FMG.