FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/5 p. 32
  • ‘Mbola tsy sambatra toy izany mihitsy izahay’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Mbola tsy sambatra toy izany mihitsy izahay’
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/5 p. 32

‘Mbola tsy sambatra toy izany mihitsy izahay’

Izany no nolazain’ny vehivavy iray rehefa avy nampihatra ireo torohevitra omena ao amin’ny boky Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra izy. Tojo fahasahiranana ara-panambadiana izy ary namboraka ny tao am-pony tamin’ny mpanampy an-trano azy. Hoy ny fitantaran’io:

“Ny torohevitra rehetra nomeko azy dia avy amin’ilay boky. Tamin’ny farany dia nilaza taminy aho fa nanana boky nety hahaliana azy. Nohazavaiko taminy fa nanampy ny tenako izy io ary nahitana hevitra feno fahendrena nalaina avy ao amin’ny Baiboly. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nandefa telefaonina tamiko izy mba hilazana amiko fa nanomboka namaky azy io izy mivady ka tapa-kevitra ny hifaneho fiheverana kokoa.

“Tamin’io hariva io, dia nandefa telefaonina tamiko indray izy mba hilaza tamiko, ankoatra ny zavatra hafa, fa mbola tsy sambatra toy izany mihitsy izy ireo. Niara-namaky ilay boky izy ireo, nizaha tao amin’ny Baiboly ireo andininy voatondro ary nampihatra ireo fotopoto-pitsipika velabelarina ao.”

Raha maniry hahazo fanampiana ianao mba hahatonga ny fanambadianao ho sambatra kokoa, dia afaka mitondra izany ho anao io boky io. Mba hahazoana anankiray amin’izany, dia fenoy sy avereno ny tapakila eto ambany.

Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy, ilay boky mifono baoritra 192 pejy hoe Ny fomba hahitana fiainam-pianakaviana sambatra. Alefako ny fandraisana anjara an-tsitrapo 600 FMG.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara