FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/5 p. 32
  • Ny niandohan’ny Devoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny niandohan’ny Devoly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/5 p. 32

Ny niandohan’ny Devoly

“Ny tena asako dia ny miahy ny mba hananan’ireo ankizy ny fehikibony fiaro ary ny mba hipetrahany tsara”, hoy ny fanazavan’ny vehivavy tanora iray izay miasa tapak’andro amin’ny maha-mpanaraka ny fiaraben’ny sekoly, any Etazonia. Hoy ny fitantarany:

“Ny anankiray amin’ireo ankizilahy dia manahirana ahy tokoa. Vao enin-taona monja izy, nefa manao fihetsika tena mahamenatra izy indraindray. Voatery mampipetraka azy amin-kery aho indraindray ary mipetraka eo anilany no sady manampina ny vavany mba hipetrahany tsara. Indraindray izy mandaka, mandrangotra, manongo, manompa ary mikiakiaka. Rehefa tsy laitra ny ataony, dia voatery tezitra aho, izay izy vao mety hipetraka.

“Tamin’ny zoma no tena nahasosotra ny nataony. Efa kivy aho nony nanontany ahy izy hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no nanao ny Devoly?’ Satria nisy ilay boky hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly tao anatin’ilay fiarabe, dia nolazaiko taminy fa io boky io dia hanampy azy hahafantatra ny niandohan’ny Devoly. Mety ho sarotra inoana izany, nefa hatramin’izay dia nijery tantara 41 izahay mianaka. Efa saika tsy hikarakara an’io zaza io intsony aho raha niova tanteraka ny toetrany. Amin’izao fotoana izao, rehefa tonga any an-tsekoly izahay, dia tsy mety hidina intsony avy ao anaty fiarabe izy, fa ta-hanohy hamaky tantara hafa!”

Ny fianarana an’io boky mahavariana io dia niteraka vokatra toy izany tamin’ireo ankizy maro hafa. Mba hahazoanao anankiray amin’io boky 256 pejy io, izay be velarana no sady misy sary kanto, dia ampy ny hamenoanao sy hamerenanao ny tapakila eto ambany miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 360 Ariary.

Aza fady mba alefaso ho ahy tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy, ny boky mifono baorita mitondra ny lohateny hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Indro alefako ny fandraisana anjara an-tsitrapo 360 Ariary.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara