Sarin’ny Tany nampanantenaina
Miangona ao Megido ireo firenena
“MIOVA hevitra mandrakariva ireo mpanao fikarohana raha ny amin’ny Haramagedonan’ny planeta.” Io fehezanteny io dia notsoahina avy amin’ny lahatsoratra momba ny siansa iray manontany tena ny amin’ny ho vokatry ny ady noklehera amin’ny tany, na ho hatsiaka amin’ny “ririnina noklehera”, na ho hamainana amin’ny “lohataona noklehera”.
Angamba ianao efa namaky fanamarihana sahala amin’izany izay mampifandray ny “Haramagedona” amin’izao androntsika sarotra izao, ary irinao angamba ny hahafantatra ny atao hoe “Haramagedona”, satria iankinan’ny ainao izany.
Jereo etsy ambony ny sarin’i Megido nalaina avy eny ambony fiaramanidina. Toerana fanaovana ady izy io teo amin’ny Isiraely fahizay. Nampiasa an’io teny io ny apostoly Jaona fony izy nanoratra ny amin’ny “tany atao amin’ny teny Hebreo hoe Hara-Magedona [tendrombohitr’i Megido]”, na Haramagedona (Apokalypsy 16:16). Mazava ireo teny ireo rehefa fantatra ny tantaran’i Megido.
Ny sarintany dia mahatonga anao ho afaka hanamarika ny toerana ara-jeografian’io tanàna io, izay teo ambonin’ny arabe roa lehibe. Ny tendrombohitra Karmela tokoa dia nanapaka ny arabe izay, avy any atsimo nianavaratra, dia niainga avy any Egypta mba ho any Damaskosy mbamin’ny tanàna hafa nanaraka an’i Eofrata. Noho izany, ny tafika sy ny andia-mpivarotra dia tsy maintsy nandalo tamin’ny hadilanana ambany tsy lavitra an’i Megido, dia hadilanana hita eo ankavanana amin’ny sary. Ny arabe avaratra mianatsimo mandalo amin’io hadilanana io dia manapaka ao amin’ny tany lemaka Jezirela, ny arabe mampitohy an’i Tyro amin’ny lohasahan’i Jordana, na Samaria sy Jerosalema. Koa satria amin’ny fihaonan’ireny lalana ireny i Megido, dia afaka nanara-maso ny fivezivezena, ka tamin’izany ilay lohasaha akaikin’ny tanàna dia nanjary toerana nisehoan’ny ady farany.
Ohatra, tao amin’io lohasaha io i Baraka mpitsara no nandresy ny Kananita notarihin’i Sisera mpitari-tafika izay nanana kalesy vy mpiady 900 (Mpitsara 4:1-3, 12-16; 5:19). Tatỳ aoriana, ny farao Neko, nitarika tafika mahery voaforon’ny miaramila sy ny kalesy, dia niakatra ny lalana manaraka ny moron-dranomasina (izany no nahatonga ny anarany hoe Via Maris, na Lalan’ny ranomasina) mba hanampiana ny Asyriana teo amoron’ny Eofrata. Tsy fantatra ny antony nilatsahan’i Josia, mpanjakan’ny Joda hiady tamin’i Neko. Taiza àry? Na dia tany amin’ny 90 kilaometatra any avaratr’i Jerosalema aza ny lohasahan’i Megido, dia io toerana io no nofidin’i Josia. — 2 Tantara 35:20-22; Jeremia 46:2.
Fantany fa tsy maintsy handalo eo ny Egyptiana, ary azo inoana fa nihevitra izy hoe nanana tombontsoa raha oharina amin’izy ireny satria ho eo akaikin’ny toerana isiraelita voaro mafy. Araka ny tsapanao tokoa, ny havoana ivan’i Megido dia lehibe raha ny marina. Lehibe ilay tanàna tranainy. Nohamafisin’i Solomona izany, azo inoana fa tamin’ny fanorenana manda vato lehibe ary niaro azy tamin’ny vavahady goavana izya (1 Mpanjaka 9:15). Eo ankavian’ilay havoana iva, dia ahitana lavaka lehibe lavalava mitarika ho amin’ny sampan-drano be kojakojany. Ny tohatohatra mitsatoka be nitarika ho ao amin’ny tionelina lava nolavahina tao anaty vato any ambanin’ny tany dia nahatonga ny Isiraelita ho afaka hahatratra loharano iray sady ho voaro amin’izay mety ho mpanafika. Hitan’ny arkeology koa ny sisa tavela tamin’ny trano iray omby soavaly 450, izay angamba nisy tamin’ny andro nanjakan’i Ahaba. — Jereo 1 Mpanjaka 9:19.
Tamin’ny ady farany nataony teo akaikin’i Megido, dia naratra mafy Josia ary maty teny an-dalana hiverina ho any Jerosalema (2 Mpanjaka 23:28-30). Izany angamba no niteraka ‘fisaonana teo amin’ny lohasaha Megido’ voatantara ao amin’ny Zakaria 12:11. Fotoana fohy taorian’ny naharesen’i Josia, dia nanitatra ny fanapahany ara-tafika ho amin’i Jodia nihena hery i Babylona. — 2 Mpanjaka 24:1, 2, 12-14; 2 Tantara 36:1-6.
Rehefa nahazo izany andinindininy ara-tantara izany ianao, dia takatrao tsara kokoa izao ny hoe nahoana, ao amin’ny Apokalypsy nomena ny apostoly Jaona, no azo natao ny nanisy fitenenana ny amin’i Megido mba hanambarana ny fanangonana “ny mpanjaka amin’izao tontolo izao” “ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Tsy misy mihitsy toerana ara-jeografia, azo antoka fa anisan’izany ilay lohasaha lemaka ijoroan’ny havoana ivan’i Megido, ho omby ny firenena rehetra manohitra an’Andriamanitra. Tena mety anefa ny hoe Hara-Magedona, na Haramagedona, mba hampisehoana ny tarehin-javatra izay hanapoaka io ady farany io. — Apokalypsy 16:14, 16; 19:11-21.
Avelantsika àry ireo mpanao politika sy ireo mpanao gazety hihevitra amin’ny fomba diso ny Haramagedona ho ady noklehera hanafoana ny gilaoby. Manana fahalalana marina kokoa ny amin’io raharaha io ianao izao noho ireo zavatra fantatra ara-tantara momba an’i Megido ireo. Takatrao tsaratsara kokoa izao fa Haramagedona dia ny tarehin-javatra hitarihana tsy ho ela ireo firenena ho amin’ny ady lehibe hanafoanan’Andriamanitra ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny, ka izany dia hanokatra ny lalana ho amin’izao tontolo izao vaovao sy marina. — 2 Petera 3:11-13.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Hahita andinindininy mahavariana momba ny vavahadin’i Megido ianao ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 novambra 1988, pejy faha-24 ka hatramin’ny faha-26.
[Sarintany, pejy 17]
(Jereo ny gazety)
Ranomasina Lehibe
Mankany Damaskosy
Mankany Tyro
Ranomasin’i Galilia
Ako
Tendrombohitra mitomandavan’i Karmela
Megido
Via Maris
Jopa
Mankany Egypta
Beti-Sheana
Dotana
Samaria
Sekema
Mankany Jerosalema
Jordana
Mi 0 10
Km 0 10 20
[Sary nahazoan-dalana]
Araka ny tahirin-kevitra iray ao amin’ny “copyright” an’ny Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky) sy Survey of Israel
[Sary, pejy 16]
Hahita sarin’i Megido lehibe kokoa ianao ao amin’ny Fanisanandron’ny Vavolombelon’i Jehovah taona 1989. Hasiana firesahana ao amin’ny lahatsoratra maromaro ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana amin’ity taona ity ireo sary enina ao anatiny, ka irinao angamba ny hitahiry izany miaraka amin’ilay fanisanandro mba hampiasana azy indray.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)
[Sary, pejy 17]
Io sary sokitra egyptiana io dia mahatonga anao ho afaka haka sary an-tsaina ny dian’ny farao Neko ho any Megido, izay nandreseny an’i Josia mpanjaka.
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Tantaran’ny Atsinanana Akaiky)