Hafatra mety ankehitriny
Mirakitra hafatra mety ankehitriny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, araka ny fanamarihan’ny mpamaky iray an’ireo gazety ireo izay naniry ny hanao famandrihana aminy.
“Amim-pahalianana tokoa no amakiako ny gazetinareo, hoy ny nosoratany. Nandritra ny fotoana fialako sasatra, dia naka fotoana handinihana ireo andininy ao amin’ny Baiboly voatonona ao amin’ireo lahatsoratra samy hafa aho.
“Gaga foana aho noho ny fanazavan’ny gazetinareo ny fisehoan-javatra ankehitriny. Tsy ampy ny teny hoenti-milaza fa sarobidy tokoa ireo bokinareo ho an’izay rehetra maniry hahazo ny hevitry ny Baiboly. Noho ny gazetinareo no namoahako indray ny Baiboliko tranainy mba hizahana ilay Boky tsara indrindra. Tsy andriko izay hahazoana ny nomerao tsirairay avy.”
Afaka maharay Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! amin’ny alalan’ny paositra koa ianao. Avereno miaraka amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 26 000 FMG (fiaramanidina) ny tapakila eto ambany dia hahazo ireo gazety ireo ianao (nomerao efatra isam-bolana) mandritra ny herintaona.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! aho. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 26 000 FMG.