Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Nampiray ny fianakaviany ny faharetan’ny lehilahy iray
INONA no hataonao raha toa, noho ianao nanaiky ny fahamarinana, ka manohitra mafy anao ny vadinao sady manao izay rehetra azony atao mba hanozongozonana ny tsy fivadihanao? Hahita tanjaka ao amin’ireto teny nosoratan’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:12 ireto ve ianao? “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina”? Hampiseho faharetana ve ianao sa hihemotra? Niatrika izany tarehin-javatra nisedra izany ny kristiana iray tany Italia. Tsy nihemotra izy ka notahin’i Jehovah.
Io lehilahy io dia kaominista vontom-pinoana teo aloha, nefa katolika nafana fo koa. Nino izy fa mitovy ny olona ary nihevitra izy fa nanandratra izany idealy izany ny antokony sy ny fivavahany. Rehefa niresaka taminy ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny iray tamin’ireo mpiara-miasa aminy dia niaiky avy hatrany izy fa io Fitondram-panjakana io no hany afaka hitondra ny fitoviana. Nanaraka ny fahamarinana tamin’ny hafanam-po mitovy amin’izay nasehony ho an’ny kaominisma sy ny fivavahana katolika izy, ary natao batisa tamin’ny 1972. Ary ravehivavy vadiny? Nanohitra azy mafy izy io. Aoka izy hasaintsika hiteny:
“Tamin’ny 1970 no niresahan’ny vadiko tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany tany am-piasany. Arakaraka ny nianarany ny Baiboly dia tsapako fa fivavahana vaovao izany ary nanafintohina ahy ny sasantsasany tamin’ny fampianarany. Niaraka tamin’ny mpianakavy hafa tamin’ny fianakaviako, dia nanomboka avy hatrany nanenjika ny vadiko aho.”
Hoy ny nanampiny: “Nampahory azy matetika ireo rafozako, nanandrana tamin’ny fomba rehetra mba hampiala azy izy ireo. Koa satria nandroso tamin’ny fianarany ny Baiboly izy, dia noheveriny fa nilaina ny hanalana ny sampy ao an-tranonay. Nolazaiko taminy fa raha manao izany izy dia hisy loza hitranga. Kanefa dia nosimbany ihany ny sary ara-pivavahana iray. Tamin’izay dia nanompa azy aho sady nikapoka azy ary nandrovitra maro tamin’ireo gazetiny aho. Raha nandre ahy nikiakiaka ireo rafozako dia niditra faingana tao amin’ny efitrano ka niteny ratsy azy koa, kanefa dia tsy namaly azy ireo izy.
“Nisy fifanolanana hafa teo aminay hatramin’ny andro nanapahany hevitra fa tsy ho any amin’ny katekisma any amin’ny eglizy intsony ny zanakay vavy. Nilaozako izy tamin’izay. Nilaza tamiko izy fa raha toa tsy mody aho dia hametraka fitarainana izy noho ny fandaozana tokantrano. Rehefa afaka ny herinandro, dia nanapa-kevitra ny hiverina aho.
“Mba hanandramana indray hampiala azy amin’ny fianarany, dia lasa nanatona olona manao azy ho tsindrian-javatra aho mba hamosavy azy. Nanontaniany aho, ary rehefa nasehoko azy ny tarehin-javatra, dia nilaza izy fa tsy misy mosavy mihitsy manan-kery eo amin’ny Vavolombelona iray.
“Niresaka tamin’ny pretran’ny paroasinay izahay, ka notoroany hevitra mba hanatona mpisolovava iray. Tsy nampoiziko fa nampirisika ahy hanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah miaraka amin’ny vadiko ilay mpisolovava. Namaly azy ny rafozandahiko izay niaraka tamiko, fa ny fianakaviany dia nanao voady tamin’i San Rocco, ‘ilay Mpiaro’ ny tanànanay. Nanazava taminy anefa ilay mpisolovava fa io ‘masindahy’ io dia diso tahaka ireo sampy hafa rehetra. Nampiany fa prezidan’ny Fihetsiketsehana katolika ny tenany nefa tsy nandray anjara mihitsy tamin’ireo fetim-pivavahana izy satria nianarany tamin’ny famakiana ny Baiboly fa diso avokoa izy ireny. Ho famaranana dia hoy izy tamiko: ‘Miaraha amin’ny vadinao ary mihavàna aminy. Henoy izy ary mba mianara Baiboly koa’.
“Ireo torohevitra ireo dia nanosika ahy hieritreritra ny amin’ny fitondrantena sy ny fiovana ary ny faharetana nasehon’ny vadiko; nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka taminy aho. Nanaitra ahy tokoa ny fitiavana naseho tany, ka nanaiky hianatra ny Baiboly. Tato aoriana dia nisoratra anarana tamin’ny sekolin’ny fanompoana teokratika aho ary nanomboka nandray anjara tamin’ny fitoriana aho. Tamin’ny farany dia nanamarika ny fanoloran-tenako ho an’Andriamanitra aho tamin’ny 1977, ary ankehitriny dia sambatra aho manaraka ny fahamarinana. Misaotra an’i Jehovah aho noho ny nanampiany ny vadiko haharitra ka nampiray ny fianakavianay iray manontolo tao amin’ny fanompoana Azy.”