Mitantara ireo mpitory ilay Fanjakana
Voatahin’i Jehovah noho ny firaiketany mafy amin’ny lalàny
TEO am-panamboarana ny kodiarana vaky tamin’ny fiarakodiany teo amoron’ny arabe ity lehilahy tany Moyen-Orient no nisy fiarakodia nandona ny zanany lahy efa-taona dia nirimorimo nanjavona. Lasa ilay rainy nanatona ny hôpitaly akaiky indrindra niaraka tamin’ny vadiny niampofo an’ilay zaza naratra. Ny tao anefa namindra azy tamin’ny hôpitaly hafa 25 kilaometatra avy teo. Tapaky ny dokotera tao fa nandara anaty ilay zazalahy ka nila hanaovana fandidiana sy fampidiran-dra. Toy izany koa ny hevitra mpitsabo valo hafa. Tsy nanaiky izany ireo ray aman-dreny izay nahalala ny lalàn’Andriamanitra mikasika ny fampidiran-dra. Nandrahona àry ilay mpitsabo: “Omeko dimy minitra ianareo, hanapahan-kevitra fa rehefa lasa izay dia tsy hikarakara ny zanakareo intsony izahay na dia miova hevitra ka hanaiky fampidiran-dra aza ianareo avy eo.” Sady nihanibontsina nampatahotra hatrany ihany amin’izany ny kibon’ilay zaza.
Niezaka àry ny rahalahin’io lehilahy io, izay tsy Vavolombelona, mba hampiova hevitra azy rain-jaza hamela hanao fampidiran-dra. Hoy izy: “Lelafiko ny faladianao, ataovy toy ny hoe zanako io fa tsy ny anao. Satria manenjika anao ny fieritreretanao, dia avelao ho andraikitro izany. Izaho no handoa ny hôpitaly mba hahazoan’io zaza io ny ra ilainy. Zanakao lahy tokana anie io e!” Nefa tsy nataon’ireo ray aman-dreny hampihozongozona azy izany fisehoan-javatra mampisedra rehetra izany.
Noraisiny ny zazalahy dia lasa izy nitady hôpitaly hafa, kanjo very lalana. Raha sendra nahita filazana fisiana hôpitaly hafa rizareo dia lasa nankany na dia tsy io aza ilay nokarohiny. Rehefa avy nandinika ilay zaza ny mpitsabo tao dia nanao hoe: “Tsy voatery ho fambara mandara anatiny tsy akory ny fibontsin’ny kibon-janakareo. Avelao izy hatory. Dia hofakafakaintsika rahampitso izay anton’io.” Nasehon’ireo famakafakana ireo fa tsy nisy nandara velively fa dia vokatr’ilay fandonana fotsiny ity fibontsinana. Tsy nisy antony tokony hanaovana fandidiana àry. Nantitranterin’ilay mpitsabo aza fa nety ho tena nampidi-doza ho an’ilay zaza raha nanao fandidiana. “Isaoranay an’i Jehovah tokoa, hoy ny ray aman-dreny, ny nitsimbinany ny zanakay sy ny nitarihany anay ho amin’ny hôpitaly tsara sy ny mpitsabo tsara.”
Inona àry no fiantraikan’ireo fisehoan-javatra ireo nandritra ny taona folo tato aoriana? Mitantara toy izao ny rainy: “Nanomboka nankasitraka ny toerana notananay ilay rahalahiko nitady hampiova hevitra ahy ka nekeny fa Jehovah no nitari-dalana anay. Taitra ny fahalianany ho amin’ny Baiboly. Rehefa nandray ny fahamarinana izy dia natao batisa ka loholona ao amin’ny kongregasiona misy azy izy izao. Mafana fo manompo an’i Jehovah koa ny vady aman-janany. Ao amin’ny fahamarinana ihany koa ny rahalahiko roa hafa mianakavy; mpikarakara momba ny asa ny iray aminy. Natao batisa tsy dia ela loatra izao ny raiko sy ny reniko na dia efa be taona aza. Tena voasedra tokoa izahay mivady tamin’io fisehoan-javatra io, nefa noho izy io koa no nandraisan’ny havako 30 eo ho eo ny fahamarinana ka ny sasany aminy izay efa vita batisa aza lasa loholona sy mpikarakara momba ny asa. Ny sasany miomana hatao batisa. 14 taona izao ny zanako lahy. Mpitory sady salama be no mazoto izy izao ary mihevitra ny hatao batisa ihany koa. Toy inona moa ny fisaoranay mivady an’i Jehovah izay nanampy anay hanao ny fanapahan-kevitra tsara izay mifanaraka amin’ny lalàny voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:29!”
[Sary, pejy 27]
‘Fadionareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra.’