Ahoana daholo ireny zaza mitsoaka ireny?
Ny Baiboly sy ny fiainam-pianakaviana — Hatao dinidinika anaty nomerao efatra misesin’Ny Tilikambo Fiambenana io ambentinteny io.
“Ataoko fa tsy misy mahatakatra an-tsaina ny tsapan’ny reny iray izay nitsoaka ny zanany vavy. Zary nofy ratsy ranoray ny fiainako. Nahoana loatra izy no lasa? Tsy mety takatry ny saiko. Izy izay nalemy paika sy sambatra erỳ, sady mbola tanora ange!
“Aiza izy izao, ity alina ity? Mba mirakotra ve? Sao noana? Na irery? Indrisy ny fitiavako azy! Tsy misy olon-kiresahako. Hany azoko atao: miandry.
“Mitsamboatra ny foko isaky ny maneno ny telefaonina. Tsy izy anefa no miantso ka tsy ahazoako vaovao. Ivavahako amin’Andriamanitra ny mba tsy hisy na inona na inona hanjo azy ary ny mba hananako hery haharitra. Antenaiko ny hodiany isaky ny minitra izao.
“(...) Mivadibadika ao an-tsaiko izao hevitra adala rehetra izao sady ataoko ihany izay hampitony ny alaheloko! Andriamanitro ô, mba ataovy re izay hodian-janako vavy.”
MPANAO gazety malaza mpamaly taratasin’olona no nandray io taratasy io tany am-boalohandohan’ireo taona 70 tany. Noheverina, tamin’izany fotoana izany, fa tsy dia tamin’antony marim-pototra loatra no nitsoahan-jaza fonenana: fa fitadiavan-javatra mampitaintaim-po na faniriana fahaleovan-tena rehefa nisy fifandirana ny amin’ny ora fodiana takariva na fahadisoam-panantenana nety ho nahazo azy. Nefa na dia mbola misy ihany aza tanora mitsoa-ponenana noho ny antony toy izany, dia efa niova tokoa izao ny toe-javatra, 15 taona atỳ aoriana.
Mety ho lalina lavitra ankehitriny ny antony izay matetika manosika tanora hitsoa-ponenana: dia ivom-pianakaviana ahatsiarovany tena ho voailika sy orim-pitia ary voatsindry hazo lena indraindray. Tsy fitadiavana zavatra intsony — toy ny fiainana manintona ny fo kokoa — no manesika azy fa mitsoaka kosa izy mba handositra zavatra, dia fiainam-pianakaviana fadiranovana sy baranahiny. “Tena efa niova tokoa ireo zaza mpitsoaka, hatramin’ireo andro nandanian-dranomainty ny aminy”, teo am-piandohan’ireo taona 70, hoy ny dokotera Douglas Huenergardt, mpitarika foibe fikarakarana zaza mitsoaka any Florida (Etazonia). “Teo am-pikarohana fomba fiaina hafa ireo zaza fandrainay tamin’izany fotoana izany, fa tsy mba toy izany intsony ankehitriny. Raha misy ankehitriny zaza mandao fonenana, dia satria tsy hitany intsony izay hatao.”
Nisy fikarohana natao tato ho ato izay sady manamafy izany tsoakevitra izany no mampiseho koa zavatra mampivadi-po hafa. Ekena fa ny fandosirana fanodidinam-pianakaviana tsy zakany intsony no nampitsoaka zaza maro. Saika eo amin’ny antsasak’ireo tranga voaray an-tsoratra tany Etazonia anefa izao, dia voatery ireo zaza ireo hanao izany satria ny ray aman-dreniny mihitsy no nandroaka azy na nanery azy handeha! Hoy ny nambaran’ny revio Family Relations (angl.) ny amin’izany: “Ho an’ny zatovo maro dia ny fitsoahana no anisan’ny fomba fiala toe-javatra tsy zaka ao amin’ny fianakaviana na ny fiasana na ny sekoly. Raha ny tena izy, maro amin’ireny mpitsoaka ireny no zaza nariana na notsipahina izay nisaraka ny ray aman-dreniny na nandroaka azy. Raha zaza maty vono misesy dia tsy hahita hevitra amin’ny farany afa-tsy ny hitsoaka.”
Mampangoraka tokoa avy eo ny lalana mampivarahontsana voatery diavin’ireo zaza ireo! Rembin’ny lalambe, saiky tsy misy vola ary tsy manan-katao dia matetika ireo tanora ireo no voatery mangataka na mijirika zavatra mahadomelina na mivaro-tena sy mangalatra rehefa tsy ny tenany mihitsy no voan’ny hafa. “Tsy mba mpanohana ara-tsosialy na psikôlôgy velively no tonga mitsena an’ireo tanora mitsoaka eny amin’ny fitobiam-piarakodia fa mpampivaro-tena sy mpambongadina zavatra mahadomelina ary mpanao sary vetaveta”, hoy ny revio Psychology Today. “Enina amby valopolo isan-jaton’ireo mahay zavatra nadinadininay no mihevitra fa kely raha mba misy ny atao mba hiarovana an’ireo zaza mpitsoaka tsy ho lasa rembin’ireny olon-tsy vanona ireny. Tsy mahagaga àry raha tàhiny arakaraka ny fotoana aharetan’ireny zaza ireny eny an-dalambe no iharatsian’ny fahasalamany.”
Tsy lavina fa mitombo isa hatrany ireo fialokalofana aorina hampiantranoana sy hamahanana ary hanoroan-dalana an’ireny zaza tsy manan-konenana ireny. Na dia tsotra aza anefa ny fandraisana an’ireny mpitsoaka ireny, dia sarotra lavitra kokoa ny manampy azy. “Izay hahazoany hambom-po kely sy ny hanampy azy hizaka tena no adidinay, hoy ity mpampiofana. Tsy mbola nanao zava-tsarotra toy izany aho hatrizay niainako.” Matetika ireny tanora ireny eo am-boalohany no kaodikaody tsy matoky olon-dehibe; kivy izy ireo, mikitakita sy mamoy fo ary indraindray mirona hamono tena.
Fa tsy azo fongorina ve ny fototr’aretina aminy? Araka ny Search, izay orim-pandaminana any New Jersey (Etazonia) izay mandray an-tsoratra rehefa misy zaza tsy hita naleha, “amin’ny ankamaroan’ireo tranga, dia olana ao amin’ny fianakaviana no fototr’ireo fitsoahana. Tsy misy olona tena sambatra tokoa lasa mandao fotsiny eo ny fonenany”. Inona anefa no mety hahasambatra fianakaviana? Ahoana no fanamafy ireo fehy mamatotra ny ray aman-dreny sy ny zaza?