Ny fahalalana izay mitondra fiadanana anaty
Izao no nosoratan’ny vehivavy tanora amerikana iray: “Notezaina tao amin’ny fivavahana katolika aho, nanatrika fotoam-pivavahana tao amin’ny Fiangonana metodista fony tany amin’ny oniversite, niaraka tamin’ny zazalahy jiosy aho, nanambady loteriana. Tsy nahita fahasambarana anefa aho tamin’ireo fivavahana rehetra ireo, izay tsy nitsahatra ny niova arakaraka ny toe-javatra niseho. Indray andro aho dia nanomboka namaky ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Tamin’ny voalohany, dia tsy niraika aho, nefa nahafinaritra ahy ny nijery ireo sary kanto. Nitana ny saiko tsikelikely io boky io, ka vitako tao anatin’ny adiny efatra ny famakiana ny tapany faharoa .
Nilaza io vehivavy io rehefa avy eo fa misaotra an’Andriamanitra izy noho ny nanomezany azy “izany fahalalana vaovao izany sy fiadanana anaty”. Ianao koa dia azo antoka fa handray soa maro amin’ny famakiana an’io boky mampahery io, izay manisy fitenenana saika ny amin’ny fampianarana araka ny Baiboly iadian-kevitra rehetra amin’ny fanangonana ireo porofo amin’ny fomba tsotra sy hentitra tsara aoka izany, hany ka tsy sarotra amin’ny mpamaky mihitsy ny mahita valin’ireo fanontaniana mipetraka. Io boky 256 pejy io, mitovy velarana amin’ity gazety ity, dia mirakitra sary ahitana fianarana 150 mahery, miloko ny ankamaroany. 300 ariary monja ny vidiny.
Aza fady mba alefaso ho ahy, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ilay boky hoe Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Arotsako ny vola 300 ariary (1 500 FMG) amin’ny adiresin’ny Fikambanan’ny mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, Antananarivo 101.