“Teny atao amin’ny antony”
“Ny teny atao amin’ny antony dia poma volamena ao anaty vilia volafotsy tsara soratra”, hoy ny vakina ao amin’ny Ohabolana 25:11. Ny teny mampiseho hatsaram-panahy sy fanaovan-javatra amim-pahamoram-panahy dia mety hitarika moramora ny fon’ny marina iray eo amin’ny lalan’ny fankasitrahan’i Jehovah. Mety hampahatsiahy amim-pihetseham-po izay nolazaintsika na nataontsika taona maro lasa izay izany. Raha nitsidika kongregasiona iray ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray sy ny vadiny dia nasain’ny vehivavy kristiana iray vao vita batisa. Tatỳ aoriana ny vadin’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanoratra ho an’io vehivavy kristiana io mba hisaotra azy noho ny fampiantranoany. Fito taona mahery tatỳ aoriana, dia naharay izao taratasy manaraka izao izy:
“Mety ny hilazako fa nandritra izay taona rehetra izay, dia nitondra fampaherezana lehibe tokoa ho ahy ianao, na dia tsy fantatrao aza izany. Indray mandeha monja ianareo sy Jim no nisakafo tato amiko, ary dia nandefa ho ahy sary tsara tarehy tokoa ianao. Feno hafanam-po tokoa ny soratra tao, nefa ny andinin-teny avy ao amin’ny Soratra Masina no nanohina ahy indrindra. Tsy nohadinoiko mihitsy izany. Tamin’ny 1976 izany, ary izaho irery tao amin’ny fianakaviako no tena liana ny fahamarinana. Niara-nianatra tamin’ireo zanako vavy aho ary nanandrana ny ho tonga vady tsara; indraindray anefa dia leony aho, leon’ny fahamarinana, leon’ny andraikitra... tofoka. Tamin’izay ilay hevitra araka ny Baiboly nosoratanao no nampihetsika ny foko ary dia niteny anakampo aho hoe: ‘Tia tena loatra ianao!’ ary dia niainga indray aho.
“Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ireo valo taona ireo nisy heriny toy izany tamiko, ary tiako ny milaza izany aminao. Tsy niankina tamin’ilay andinin-teny ao amin’ny Baiboly, dia nieritreritra aho fa tsara ny nisian’ny olona be raharaha toa anao, naka fotoana mba hisaorana ahy noho ny nanaovako izay tokony hataoko.
“Ny amin’izay, ilay andinin-teny dia ny 2 Jaona 8.
“Sandra.”
Amin’izao andro izao, dia vita batisa ny vadin’i Sandra. Mpitory ny vaovao tsara tahaka azy izy io. Mpitory maharitra mandavantaona ny anankiray amin’ireo zanany vavy, ary mpitory maharitra mpanampy ny faharoa hatramin’ny nahavitan’ny fianarany ambaratonga faharoa.
Ho famaranana, inona no voalazan’ny 2 Jaona 8? “Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.”