FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/12 p. 32
  • 1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/12 p. 32

1986 Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah

GRANDE-BRETAGNE: Io tany io dia eo am-pandraisana fanambarana feno kokoa tsy mbola nisy toy izany teo aloha. Azo atao ny manamarika fa vao voalohany izao no nanisana mpitory ilay Fanjakana mihoatra ny 100 000. Mihoatra noho izany, ny isan’ny mpitory maharitra dia tao anatin’ny fitomboana hatrany ihany nandritra ireo volana folo voalohany amin’ny taona. Tamin’ny may, dia nisaina ny mpitory maharitra mpanampy 11 452.

Tamin’ity taona ity, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao zavatra betsaka koa mba hananana Efitrano fanaovana fivoriambe. Taorian’ny fikarohana maro, ireo rahalahy dia nahita trano tsara toerana any amin’ny efapolo kilaometatra any atsimon’i Londres. Izy ireo ankehitriny dia miasa amin’ny fanamboarana izany. Tamin’ny 1 aogositra dia natomboka ireo asa tao amin’ny efitrano hafa iray izay hampiasain’ireo rahalahy any Avaratra atsinanan’i Angletera. Misy komity iray eo am-pandinihana ireo fahafahana misy ao amin’ny faritr’i Bristol. Ireny fandaharana ireny dia hahatonga ny maro amin’ireo rahalahy any Grande-Bretagne ho afaka hanao ny fivoriamben’ny fizaran-tanin’izy ireo ao amin’ireo efitranony ihany.

Amin’ireo izay natao batisa tamin’ny fivoriambe tany Leeds ny vehivavy iray izay nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy azy taorian’ny nahafatesan’ny vadiny. Ny ampitso, dia Vavolombelona roa no tonga tao aminy. Nihaino azy ireo tamim-panajana izy, nefa noho izy anisan’ny Fiangonana anglikana dia tsy nanaiky ireo zavatra vita an-tsoratr’izy ireo izy. Minitra vitsivitsy taorian’ny fiaingan’izy ireo, dia nahatsiaro ny fivavahany izy ary dia nivoaka haingana mba hiantso azy ireo, nefa dia tsy nahita azy izy. Ny harivan’iny ihany, dia nivavaka indray izy, tamin’io indray mandeha io dia ny mba hiverenan’ny Vavolombelona. Ny ampitso, dia Vavolombelona roa hafa no nandòna tao am-baravarany nefa tsy nahafantatra fa efa voatsidika izy ny omalin’io. Tamin’izany io vehivavy 72 taona io dia afaka indray nifandray tamin’ireo vavolombelona izay nitsidika azy tamin’ny voalohany. Nanomboka nianatra ny Baiboly izy, ary ankehitriny izy dia anabavintsika.

FRANTSA: Mitahy ny asan’ireo mpitory maharitra Jehovah, ary ny isan’ireo mpanompo manontolo andro dia saika eo am-pitomboana hatrany ihany. Izany dia mahafaly anay lalina.

Sedraina ny tsy fivadihan’ny tanora. Ao amin’ny sekoly vaovaon’i Delphine ny zatovolahy sy ny zatovovavy dia mifampiarahaba amin’ny fifanorohana eo amin’ny takolaka roa. I Delphine kosa, dia nanazava fa amin’ny maha-kristiana azy dia tsy afaka ny hanaraka izany fomba fanao izany izy. Tatỳ aoriana, tao anaty fiara iray, dia nisy zatovolahy nanomboka niantsoantso hoe: “Delphine, ba kely iray! Delphine, ba kely iray!” Indray mandeha koa, taorian’ny sakafo, izy ireo dia nanandrana nanery azy mba hanoroka azy ireo. Nefa nivavaka izy ary nanohitra azy ireo tamin’ny fomba hentitra, hany ka dia namela azy hipetraka tsara izy ireo. Manaraka izany, ny iray tamin’izy ireo dia niverina mba hilaza taminy fa izy dia nidera azy noho ny nananany fahasahiana hijoro amin’ny heviny. Nanararaotra izany izy mba hanaovana fanambarana tsara ny amin’ilay Fanjakana, tamin’ny famelabelarana taminy ireo fotopoto-pitsipika izay noferan’i Jehovah ho an’ireo rehetra izay ta-handray tombontsoa avy amin’izany. Nandritra ny taom-pianarana, dia azony natao koa ny namelabelatra ny zavatra ninoany teo anatrehan’ny kilasy iray manontolo.

FINLANDE: Tonga ny fotoana izay tokony hahafantarana ny anaran’i Jehovah amin’ny fomba mitatra kokoa, ary tsy misy afaka misakana izany. Ny Fiangonan’ny Fanjakana finlanday dia eo am-panomanana fandikana vaovaon’ny Baiboly izay manafina amim-pahakingana ny anaran’Andriamanitra. Mifanitsy amin’izany, ny gazety iray teo an-toerana dia namoaka izao filazana manaraka izao momba ny fanavaozana natao vao haingana tao amin’ny fiangonana iray: “Tamin’ny fikikisana ireo loko tranainy, dia nahitana zava-baovao tao amin’ny fiangonana ao Kuhmoinen. Tamin’izany, dia nahitana ny anarana hoe ‘Jehovah’ teo ambonin’ny alitara indrindra. Izay zavatra hatao amin’io teny io, izay niteraka fitaintainana ihany, mbamin’ilay sary hoso-doko lehibe vao hita iray volana lasa izay, dia eo am-pelatanan’ny filan-kevitra paroasialy ankehitriny”. Izy io dia nanapa-kevitra ny handrakotra ilay rindrina amin’ny takelaka, nefa sady hamela ilay anarana sy ilay sary hoso-doko ao ambadika mba ho an’ny taranaka ho avy. Na dia izany aza, io zavatra vao hita io dia nahatonga resa-be tokoa teo amin’ny manodidina.

[Loharanon-kevitra]

Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1986 (anglisy)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara