‘Toy ny mofo sy rano ho an’ny fo’
Toy izany Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! ho an’ny pastora protestanta espaniola iray tany Málaga. Nanazava toy izao izy:
“Pastora hatramin’ny taona maro aho ary, afaka manome toky anareo ny amin’izany aho, nandritra ny fianarana ara-teolojia nataoko rehetra dia tsy nahita mihitsy ny fahatsorana sy ny fahazavana mampiavaka ireo bokinareo aho. Amiko, ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona maha-te-hidera; eo amin’izao tontolo izao feno fihatsarambelatsihy, dia miaina mifanaraka amin’ny zavatra inoany izy ireo. (...)
Amin’izao fotoana izao aloha, dia misy fahasahiranana manokana misakana ahy tsy hiara-hianatra aminareo araka ny ho tiako hatao; noho Andriamanitra anefa, dia maharay ireo gazetinareo aho, ary toy ny ‘mofo’ sy ny ‘rano’ ho an’ny foko noana sy mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona izany.”
Azonao atao koa ny mandray amin’ny alalan’ny paositra Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, amin’ny famenoana sy amin’ny fandefasana ny tapakila eto ambany.
Aza fady mba anaovy famandrihana herintaona amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! aho. Arotsako ny vola 20 800 FMG (fiaramanidina).