Nilaozan’ny fiarany izy
INDRAY andro, rehefa nandinika an’i Rebeka zanany vavy niainga mba handray ny fiaran’ny mpianatra i Jacques dia nahamarika fa nandeha niadana tsy araka ny nahazatra izy. Rehefa tonga ny fiara, dia mbola nandeha moramora kokoa ihany izy ka tamin’ny farany dia nilaozany noho ny finiavany tsy hiraika.
Ny takariva, dia niara-nidinika ny amin’io raharaha io tamin’ny zanany vavy i Jacques sy Véronique vadiny. Mba hanaovana izany, dia noraisin’izy ireo indray ny fitantarana mitondra ny lohateny hoe “Jona sy ilay trondro be” ao amin’ny Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly. Anankiray amin’ireo tantara tian-dRebeka indrindra io. Rehefa avy niara-nandinika izany taminy ireo ray aman-dreniny, dia nampihatra izany tamin’ny zava-nanahirana azy. Takany tsara ny lesona ka hoy izy tamin’ireo: “Nandositra i Jona, ka azon’ny tafiodrivotra teny an-dranomasina, avy eo dia natelin’ny trondro izy ary naloany indray rehefa avy eo — nefa niandry azy foana ny asa tokony hataony ho an’i Jehovah.”
Ny ampitso dia lasa nianatra tamin’ny toe-tsaina hafa i Rebeka, nisakelika Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly.
Afaka mahazo anankiray amin’io boky tsara tarehy feno sary, 256 pejy, voatonta amin’ny sora-baventy, io ianao. Amin’izany, dia ampy anao ny mameno sy mamerina ny tapakila eto ambany.
Aza fady mba andefaso, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana azy, ilay boky mifono baoritra hoe Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly aho. Ampiarahiko amin’ity ny fandraisana anjara an-tsitrapo 300 ariary.