Ireo loza entin’ny harena sy ny fahantrana
MOA ve ny Baiboly manaratsy ny harena ary manandratra ny fahantrana? Izany no heverin’ny maro. Aoka anefa hohazavaintsika amin’ny ohabolana roa momba an’io raharaha io ny zavatra.
Manantitrantitra toy izao ny Ohabolana 10:15: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana azy.” Ary manampy teny toy izao ny Oh 10 andininy faha-16: “Ho fiainana ny asan’ny marina; fa ho ota ny fitomboan’ny haren’ny ratsy fanahy.” Aoka homarihintsika fa mifameno ireo andininy roa ireo.
Ny Oh 10 andininy faha-15 dia manaporofo fa manana ny tombontsoany ny harena ary ny tsininy ny fahantrana. Ny harena dia miaro ny manana azy amin’ny fivadibadihan’ny fiainana sasany. Ny mahantra kosa dia tojo fahasahiranana amboniny satria izy tsy afaka miatrika ara-bola ireo fahasahiranana tsy ampoizina. Amin’izany ny Baiboly dia mihevitra ny zavatra tena misy. — Mpitoriteny 7:12.
Azo atao koa anefa ny mahita ao amin’io Oh 10 andininy faha-15 io, fitenenana ny amin’ny loza mifamatotra amin’ny harena na ny fahantrana. Tsy vitsy ny manankarena mametraka ny fitokisany tanteraka amin’ny volany ka mihevitra izany ho ny fiarovana rehetra ilainy (Ohabolana 18:11). Ny harena anefa dia tsy afaka manampy azy hahazo laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra na hiantoka fahasambarana maharitra ho azy. Raha ny marina, dia mety hanasaro-javatra izany. Izany no miharihary amin’ny fanazavana niresahan’i Jesosy ny amin’ny lehilahy manankarena iray izay nanorina trano fitehirizam-bokatra lehibe kokoa, kanefa tsy mba nanankarena ny amin’Andriamanitra (Lioka 12:16-21; 18:24, 25). Etsy an-daniny, dia betsaka ny olona mahantra mieritreritra amin’ny fomba diso fa ny fahantran’izy ireny dia manaisotra aminy izay rehetra mety ho fahatsinjovana fiainan-ko avy.
Mariho ny fomba amintinan’ny andininy faha-16 izany rehetra izany. Na manana betsaka na kely ara-bola ny marina iray, ny asany dia mety hitondra fahafinaretana ho azy. Tsy avelany hanimba ny laza tsarany eo imason’Andriamanitra ny vokatry ny asany. Mifanohitra amin’izany, ny fiezahany dia mitondra ho azy, ankoatra ny fahasambarana dieny izao, antoka ny amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny ho avy (Joba 42:10-13). Fa raha ny amin’ny ratsy fanahy, na dia mahazo vola be aza izy, dia tsy mandray soa avy amin’izany. Tsy mankamamy ny vidin’ny vola ho fiarovana sady miaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra izy, fa mampiasa ny hareny mba hiainana ao anatin’ny fahotana.