‘Ny anankiray amin’ireo boky miavaka indrindra’
Boky inona àry no nasian’ilay mponina any Nouvelle-Zélande izay nampiasa an’io teny io fitenenana? Lazainy ao amin’ny taratasiny izany: “Faly aoka izany daholo izahay rehetra nahazo an’io boky io izay azo antoka fa ny anankiray amin’ny niavaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny fanontam-boky amin’ny andro ankehitriny, dia ilay boky hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création?.
“Raha vao eo amin’ireo pejy voalohandohany indrindra, dia miharihary fa nisy fikarohana natao hanoratana io bokim-pahalalana miavaka io. Ny nanoratana ny foto-kevitra tsirairay avy tamin’ny fomba mazava sy fohy dia nanosika, fara faharatsiny ny anankiray amin’ireo mpahay siansa tao amin’ny foiben’ny faritra nisy anay hanao fikarohana ny amin’ny zaridaina, miankina amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fanjonoana, hamaky an’io boky io nanomboka tamin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.”
Ianao koa, dia azonao atao ny mahazo io boky misy andinindininy io izay manazava ny fomba nisehoan’ny fiainana sy ny maha-zava-dehibe izany amin’ny ho avy. Ampy anao ny mameno sy ny mamerina ny tapakila famaliana eto ambany.
Aza fady mba alefaso amiko, tsy misy fandoavam-bola aorian’ny haharaisana ny zavatra, ilay boky mifono baoritra 256 pejy hoe La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? Indro alefako ny sarany 300 ariary.